Taratra

Banga ny asa fanaovan-gazety : nodimandry i Lalaina Nalinjara…

Nodimandry ny alahady teo ny mpanao gazety eo anivon’ny radio Don Bosco (RDB), i Lalainasoarimbelo Malalanalinjara Aroldhia La­laina na i Lalaina Nalinjara. 49 taona izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao ary namela mananontena sy kamboty telo mianadahy. Am-polo taona maro no niasany tao amin’io haino aman-jery io ary efa nahazoany mari-pankasitrahana […]

77 taona ny tolom-panafahana : Tsinjovina manokana ireo bekotromaroholatra

Feno 77 taona ny tolom-panafahana izay hankalazaina ny 29 marsa 2024 ho avy izao. Nilaza ny komity mpikarakara fa hotsinjovina manokana ireo bekotromaroholatra… Ahina manokana ireo mpitolona tamin’ny 29 marsa 1947. Nisokatra ny fotoam-pivoriana voalohany notarihin’ny Tale misahana ireo mpiady tia Tanin­dra­zana eo anivon’ny minisiteran’ ny Foloalindahy, ny Jly Ran­drianantenaina Emilson, tetsy […]

INDRAY MIJERY

Hanatanteraka fambolen-kazo eny amin’ny kaominina Ambalavao Atsimondrano, manakaiky ny Analamanga Park, ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, tarihin’ny minisitra, Andria­manantany Zely, amin’ny alakamisy izao. Aman’aliny ireo mpiasan’ny fahasalamana hanatontosa izany. Nidina tany Itasy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny faran’ny herinandro teo, nanatanteraka fambolen-kazo faobe niaraka tamin’ny mpiara-miasa. […]

Antenimierampirenena : hofaizina mafy ireo mpanolana zaza

Nolanian’ny depiote 67 teny anivon’ny Antenimieram­pi­renena, Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo, ny volavolan-dalàna 022/2024, tamin’ny 24 janoary 2024, nanitsiana ny lalàna momba ny famaizana ireo manao fanolanana zaza. Misy sokajy telo ny sazy amin’izany, arakaraka ny taonan’ny zaza voaolana: raha latsaky ny folo taona ny zaza, asa an-terivozona mandra-pahafaty no […]