Taratra

Ny kardinaly, Tsarahazana Désiré : ” Aoka ho matotra fa tsy hihatsaravelatsihy »

Tsy nitsitsy fitenenana ny kardinaly, ny Mgr Tsarahazana Desiré, tamin’ny fankalazana ny andron’ny « Mouvement de cadre Chretien Proffessionnel – MCCP », sampana Toamasina, sady faha-20 taona niorenany, ny 7 aogositra teo. « Mila mibebaka isika ary mba matotra rehefa mivavaka.  Mameno fiangonana mantsy ny ankamaroany fa vitsy ireo  tena mivavaka. Lasa tompondakan’ny […]

Fifindran-toerana:  hiasa any Pérou ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri

Handao tsy ho ela an’i Madagasikara. Voatendry ho « Nonce Apostolique »  any Pérou, ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, araka ny fanendrena sy fifindran-toerana eo anivon’ny Fiketrahana Masina, any Vatikana. Andraikitra nosahaniny teto amintsika ny fitantanana ny lafiny diplaomasia niahiany ny Nosy Kaomora sy i Seychelles ary ny Nosy Maorisy nanomboka tamin’ny […]

FJKM Tranovato Ambatonakanga – Lehilahy Midera : homarihana ny faha-185 taonan’ny maritiora Malagasy

Ho feno 185 taona, ny alahady 14 aogositra izao ny namonoana an-dRasalama, maritiora kristiana voalohany teto Madagasikara. Hanamarika izany amin’ny fomba miavaka ny FJKM Tranovato Ambatonakanga amin’ny maha Fiangonana malagasy voalohany azy. Fanamarihana hotanterahina ny 14 aogositra izao, manomboka amin’ny 9 ora sy sasany maraina. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny toriteny […]

Ady amin’ny Covid-19 – Magadasikara: nahazo fitaovana hanarahana ireo vita vaksiny

Nanolotra fitaovana informatika, Covax traker, ho an’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny governemanta amerikanina, amin’ny alalan’ny USAID. Natao indrindra hanatsarana ny fanaraha-maso ny fivoaran’ny tahan’ny fanaovam-baksiny hiadiana amin’ny valanaretina covid-19  eto Madagasikara izany. Amin’ny alalan’ny fampiasana ity fitaovana ity, azo jerena haingana amin’ny  internet ny fizotran’ny fanaovam-baksiny amin’ny toerana samihafa. Hahafahana manao […]