Lavo nandritra ny fifandonana tamin’ny dahalo nanao fanafihana mitam-piadiana mahery vaika tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Betanantanana distrikan’i Maintirano, ny zoma teo, ny miaramila kilasy faharoa, i Manampy Gaspar. Anisan’ireo miaramila mahery fo, niasa tao amin’ny holafy fibaikoana sy fampandehanan-draharaha eo anivon’ny Bataillon d’infantérie Maintirano izy. Tsy nihemotra fa nanatanteraka antsakany […]
Taratra
Ankazomanga : jiolahy tratra niaraka tamin’ny «écran plat»
Noraisim-potsiny ! Natolotra ny fampanoavana ny alakamisy teo, ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora, ny jiolahy raindahiny amin’ny vaky trano. Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny poste de police Antaniavo teny Ankazomanga, ny talata lasa teo, noho ny resaka halatra ity jiolahy ity. Nahazo fitarainana ny polisy misahana iny faritra iny […]
Fisolokiana: kaomisera misotro ronono voasambotra
Kaomisera divisionera efa nisotro ronono no tratra nisoloky. Milaza ho mahatafiditra mpiasam-panjakana sy mpiasa ao amin’ny INFA izy. Maro ireo olona efa voasolokiny… Tsy mety fay mihitsy! Notanana am-ponja vonjimaika ny kaomisera divizionera misotro ronono nisoloky ho mahatafiditra mpiasam-panjakana tao Morondava, ny zoma 2 febroary teo. Naka vola tamin’olona, milaza […]
Sombim-baovao
Nifindra klioba ao amin’ny Zanakala FC, i Naina Avizara, vodilaharan’ny Fosa Junior Boeny, teo aloha. Araka ny vaovao voaray omaly, hodimbiasan’i Christian na i Voay ny toeran’ity mpilalao ity ao amin’ny Fosa. Tsiahivina fa i Naina Avizara, anisan’ireo Malagasy mpilalao nandrafitra ny Barea de Madagascar tamin’ny “Chan Algérie 2022”. Hotontosaina […]
Basikety N1A: Ekipa 12 lahy sy 12 vavy hifaninana
Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fisarihana ho an’ny fifaninanam-pirenena N1A, lahy sy vavy, taranja basikety. Ekipa 12 lahy sy 12 vavy no hiady ny lohany. Nivoaka ofisialy ireo ekipa hifaninana izay notsinjaraina faritra roa. Misy ny faritra Atsinanana sy faritra afovoany. Ho an’ny faritra Atsinanana, ny Ascut […]




