Taratra

USAID Access : mitentina 36 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola fanampiny

Nampahafantarina, omaly, tetsy Ankorondrano fa hitohy hatramin’ny volana marsa 2025 ny fandaharanasa USAID Access, izay tanterahin’ny MSH, momba ny fahasalamana. Nahazo famatsiam-bola fanampiny, mitentina 36 tapitrisa dolara, ny tetikasa hahafahana manohy ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamam-bahoaka eto Madagasikara. Tafakatra 126 tapitrisa dolara, araka izany, ny vola ho an’ny tohana […]

Boriborintany IV : 600 isan’andro ny nizaha fahasalamana

Nidina mivantana teny amin’ny fokontany Anosibe Angarangarana ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Reni­vo­hitra, Andriantsitohaina Naina, omaly, nijery ny fizotran’ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana karakarain’ny CUA. Nampiavaka ity hetsika andiany manaraka ity, ny fiaraha-miasa tamin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fikambanana Manjaka Vin­­tana Beton Armée, izay nanao ny fanentanana isam-baravarana teny ifotony. Nahaliana ny […]

Fisorohana ny herisetra any an-tsekoly : nizarana boky torolalana ny mpanabe

Ny herinandro lasa teo, nisehoana herisetra teny Ambohipo, mpianatra tao amin’ny CEG no nifanindrona antsy tety ivelan’ny toeram-pianarana. Nandray andraikitra avy hatrany ny polisy sy ny mpitantana ny Cisco Antananarivo Renivohitra ary ny CEG na tsy tany an-dakilasy aza no nitranga ny herisetra. Mbola hanaovana fa­nadihadiana ilay na­nao herisetra ary […]