Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo (CSP3) Antaninandro, afakomaly alina, tamin’ny 9 ora, teo amin’ny fitobiana fiara iray teo Anjanahary ireo jiolahy mpangalatra kojakojana anaty fiara. Polisy nanao fisafoana teny an-toerana no nahatsikaritra olona hafahafa misikotra varavarana fiaran’olona mitoby amin’ny fiantsonana. Rehefa nanatona azy ireo ny polisy […]
Taratra
Nanafika tsenam-barotra: dahalo iray lavo, telo sarona niaraka tamina vola halatra
Nanafika tranombarotra iray tao amin’ny fokontany Begavo I, distrikan’Ambanja, voasambotra ny dahalo telo lahy niaraka tamin’ny vola 2 800 000 Ar, afakomaly hariva. Naka an-keriny ny vola tao amin’ireo tompon-trano, nitifitra ireo jiolahy. Naratra tamin’izany io tompon-tsena io. Lasa nandositra ireto olon-dratsy niaraka tamin’ny vola. Raikitra ny fifanenjehana nataon’ny zandary. Nifampitifitra […]
Toamasina: mihantsy polisy eny amin’ny “facebook” ny jiolahy
Mitsipaka ny fanelezana tsaho mahakasika ny fomba fiasan’izy ireo, nametraka fitoriana ireo olona nanaparitaka vaovao tsy marina mahakasika azy ireo ny polisy ao Toamasina, omaly. Nivoaka tamin’ny fahanginana, namaly ny resabe niteraka savorovoro teo amin’ny tambajotran-tserasera ny polisim-pirenena ao Toamasina, notarihin’ny lehiben’ny kaomisaria Centrale, Rakotovao Christian, omaly. Fanosoram-potaka tsotra izao […]
Indraim-bava 16/11/22
Etika ! Ambetinteny matetika ny hoe simba ny fiainan-dRamalagasy. Very hasiny ny firenena sy ny vahoaka ao aminy. Mety ho fitsarana miainga amin’ny fomba fijery miiba izany, kanefa misy hisainana ihany koa. Izay indrindra no hisintonana ny lakolosy anio, mba hanaitairana antsika rehetra amin’ity mandrimandry manana aretina ity. Trangam-piarahamonina tsy takona […]
Dimy andro nigadrana: zandary nanao kolikoly maty tao am-ponja
Maty tao am-ponjan’Antanimora, omaly, ny zandary kilasy faharoa, nanao kolikoly sy nangalatra tahirin-kevitra momba ny fanadihadiana nataony. Dimy andro taorian’ny nigadrany no nisehoan’izany. Nivoaka ra ny vavany! “Tsy mbola fantatra mazava ny antony nahafaty azy, miandry ny valin’ny autopsie isika”, izay no namalian’ny loharanom-baovao avy ao amin’ny fonjan’Antanimora, omaly (fanadihadiana […]