Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-137 ny «Concert classique de midi», karakarain’ny Madagascar Mozarteum sy ireo mpiara-miasa aminy. Hiavaka ny amin’ny talata 7 marsa izao satria ireo tanora nandrombaka ny laharana tsara indrindra tamina fifaninanana fahaiza-mitendry piano no hiaka-tsehatra manomboka amin’ny 1 ora tolakandro tsy diso, etsy amin’ny Institut français de […]
Taratra
Aft Andavamamba : manomboka ny rantin’i Toni Haddad
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, omaly, teny amin’ny Alliance française d’Antananarivo, Aft Andavamamba, ny fampirantina sary ataon’i Toni Haddad. “Voyages des déchets” no lohahevitra hovoizina mandritra ity hetsika ity. Fiaraha-miasan’ny Aft Andavamamba sy ny WHH Madagascar- Welthungerhilfe ary ity mpaka sary ity no nahatanterahana an’izao fampirantina izao. Mandritra ny 8 andro […]
Tendry gasy amin’ny piano : hanao « Atrikefa » i Tantely R.
Mitohy hatrany ny hetsika karakarain’ny Sehatra Ba Gasy. Fantatra fa ny 4 marsa izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro no hanatanterahin’i Tantely Ramaromiantso mivady ny «atrikefa». Lohahevitra hazavain’izy ireo amin’izany «Ny fomba fitendry piano tendry gasy». Hisy hatrany ny hira handravaka ny eny antsefantsefan’ny fanazavana. Mitohy avy hatrany […]
Fanarenana NY teny malagasy: manana anjara andraikitra ny mpanao literatiora
Famerenan-kasina ny teny Malagasy… Samy miezaka ny amin’izay ny ankolafy rehetra voakasiky ny sehatra. Nafana ny adihevitra teo amin’ireo mpikatroka, omaly. Tontosa ny alarobia 1 marsa 2023, teny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny velakevitra nampitondraina ny lohahevitra hoe: “Ny tsy fahafehezana ny teny malagasy ao anaty literatiora”. Hetsika fanaon’ny fikambanana Famoloana […]
Betroka Anosy : zanakazo 30.975 voavoly tamin’ny 40 ha
Nanatanteraka ny adidiny fambolen-kazo ny faritra Anosy, ny faran’ny herinandro teo, tany Andakana, distrika Betroka. Miisa 30.975 ny zanakazo voavoly tamin’ny velaran-tany 40 ha tamin’izany. Nandray anjara daholo ny tomponandraikitra samihafa any an-toerana, ny mpiasan’ny fitantanam-paritra isan-tsokajiny ao amin’ny distrika Betroka, ny mpitandro filaminana, indrindra ny fokonolona. Nentanina ny rehetra […]