Taratra

Fandaniam-bolam-panjakana : hohafainganina ny fikirakirana antontan-taratasy

Anisan’ny nivoitra tamin’ny filankevitry ny minisitra teny Iavoloha, afakomaly, ny fanatsarana sy fanafainganana ny fikirakirana ny antotan-taratasim-panjakana ho amin’ny fandaniam-bolam-panjakana. Mazava ny toromariky ny filohan’ny Repoblika tamin’izany. Havaozina ny fomba fiasa mba tsy hampikatso ireo asa efa nankatoavina tamin’ny alalan’ny fanaovana tsenam-baro-panjakana. Nanovàna, araka iza­ny, ny dingana arahina amin’ny fanatanterahana […]

Fankalazana ny 26 jona : mitaky firaisankina eo amin’ny samy Malagasy

Araka ny nambaran’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tetsy Ampahibe, omaly, ilaina ny firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny samy Malagasy ny fanatanterahana ny fankalazana ny fetin’ny fahaleovantena. Ho fanomanana sahady io fety anisan’ny manamarika tantaram-pirenena io, nosantarina tamin’ny fomba ofisialy ny fivorian’ny kaomity nasionaly mpikarakara ny fankalazana izany, […]

Ho voky !

Nankalaza ny andron’ny alakamisy masina ny mpino kristianina, omaly. Andro namoronana ny eokaristia masina, izay marika famantarana mandraka ankehitriny fa miaraka amin’ireo mpino azy hatrany i Jesoa Kristy. Andro lehibe ho an’ireo manara-dia azy izany, satria fanamafisana ny fifamatorana. Mofo sy divay, na vatana sy ran’i Kristy, famantarana ny fitahiana […]

Tambajotra Gool Den Team : mpianatra 25 voasambotra

Tra-tehaky ny mpitandro filaminana ireo tanora mpametaveta tovovavy virijiny sy mpidoroka zava-mahadomelina ao Toamasina. 22 ireo mpianatra voasambotra miampy ireo telo lahy mpitarika. Tsy mety fay mihitsy! Tsy niandry ela fa taorian’ny fitsirihana ireo kizo ahina fa misy ny fiafe­nan’ireo zatovolahy mivondrona ao anatin’ny fikambanana mpametaveta ankizivavy virijiny “Gool Den […]

Analamahitsy : mpanendaka niharan’ ny fitsaram-bahoaka

Nanantena hahazo mora ny hatsembohan’ny sasany ! Saika matin’ny fitsaram-bahoaka ny mpanendaka iray voasambotry ny fokonolona tetsy Analama­hitsy, afakomaly hariva. Mi­andry ireo mpandalo mandeha an-tongotra anatin’ny lalana maizina mampitohy an’ Anala­mahitsy sy Nanisana ireto olon-dratsy ireto. Niisa telo izy ireo no nikasa hanao ny asa ratsiny. Sendran’ny fokonolona, nataon’ireto farany […]