Ankizivavy 15 taona avotry ny zandary teny am-pelatanan’ny olon-dratsy ao Sarognanala, kaominina Befotaka, distrikan’i Mahabo, ny 1 febroary teo. Nalain’ny dahalo mpaka an-keriny ho takalonaina io vehivavy io. Nanao fanarahan-dia ny fokonolona sy ny zandary ka navotsitr’ireo dahalo nandritra ny fifanenjehana ilay ankizy. Telo mianadahy mpidoroka sady mpivarotra […]
Taratra
Fandaharanasan’ny indostria: naneho ny fahavononana ny SIM
Hiara-hisalahy hanatanteraka ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara. Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny firenena ny fampiroboroboana ny indostria. Vonona hiara-hiasa sy hifanome tanana amin’ny fanatanterahana ny fandaharanasa maharitra ho an’ny indostria ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM). Nifanaiky tamin’ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny […]
Ady amin’ny Kidnapping: hisy ny hetsika “Harato”, ataon’ny tafika sy ny zandary
Mihantsy ny mpitandro filaminana ny jiolahy mpaka an-keriny ao Ankazobe. Manao andiany am-polony maro ry zalahy. Vokany, hanomboka ny hetsika “Harato II”, hamongorana azy ireo. Tsy milamina Ankazobe ! Na tsy mikely soroka aza ny zandary sy ny tafika amin’ny famongorana ny asan-jiolahy. Tsy mahafay an-dry zalahy ny sazy henjana avoakan’ny fitsarana. […]
“Grand Slam de Paris” : Malagasy judokas 3 hifaninana
Hanomboka rahampitso 3 febroary, ao Paris, ny fifaninanana “Grand Slam de Paris”, taranja judo. Malagasy mpikatroka 3 mianadahy no solontenan’i Madagasikara amin’ity fifaninanana maneran-tany ity. Fifaninanana goavana satria hihaonan’ireo judokas tompondaka maneran-tany sy manerana an’i Eoropa. Anisan’ny hiatrika izany i Christiane Vital, Malagasy mpikatroka mila ravinahitra ao Frantsa. Efa mpandray […]
SOMBIM-BAOVAO
Ny ekipan’ny JEA no solontenan’ny ligin’i Vakinankaratra amin’ny fifaninanam-paritra « De la Rue vers l’Or », taranja basikety 3 x 3, sokajy vehivavy U23. Fifaninanana hotanterahina manomboka ny 16 hatramin’ny 18 febroary ho avy izao, eto Antananarivo. Tanterahina nanomboka ny 30 janoary lasa teo, any amin’ny faritr’i Boeny, ny fanofanana mpanazatra, […]




