Tsy mandry fahalemana i Toamasina. Lasibatra ny mpanao gazety iray miasa amina fahitalavitra tsy miankina manana foibeny tao Antananarivo miaraka amina vady aman-janany indray, ny alatsinainy 21 novambra, teo anoloan’ny tsenan’ Ambolomadinika tokony ho tamin’ny 6 ora sy 30 minitra. Nivoaka kely ny tokantranony izy telo mianaka mba hampiasa vantana […]
Taratra
Fivarotan-tena ana habaka: vehivavy telo nalefa eny am-ponja
Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo vehivavy telo voalaza ho mampiasa tovovavy amin’ny asa mamoafady ana habaka. Mbola hokarohina sy hosamborina ihany ireo tambajotra minia mbola manao izany. Naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora ireo vehivavy miisa telo voasaringotra amin’ny fampivarotan-tena ankizivavy. Herinandro vitsy lasa izay, nahazo vaovao momba ity asa […]
Eran-tany
Ireo firenena matanjaka indrindra ara-toekarena, taona 2022, dia voalohany Etazonia, Chine, Japana, Alemaina, araka ny fandaharan’ny Banky iraisam-pirenena azy. Ny harinkarena faobe (PIB) any amin’ireo firenena ireo nandaharana azy ireo. Mafy ho an’ny firenena maro eo amin’ny fihariana ny valanaretina sy ny faharetan’ny ady any Ukraine, ary vao mainka nanampy […]
Marolambo: nisitraka milina manana tanjaka 110 kW
Taorian’ny fahapotehana vokatry ny hasomparan’ny olona sasantsasany ny Jirama Marolambo, nitondra vahaolana avy hatrany ny teo anivon’ny fitondram-panjakana, ny alatsinainy teo. Notolorana milina mitondra tanjaka 110 kW hamatsy herinaratra ny mponina ny tanànan’i Marolambo. Hiainga avy any Toamasina, hanampy ny 50 kw efa ao Mahanoro ity milina io. “Atao araka […]
Instat sy BNI: hanampy ny orinasa madinika manana ny toerany
Nifanaraka ny Instat sy ny BNI, omaly, fa hiara-kiasa hifanome vaovao. Sambany nisian’ny fiaraha-miasa toy izany teo amin’ny sampandraharaham-panjakana iray sy ny sehatra tsy miankina. « Votoatin’ny fiarahan’ny roa tonta, ny Instat nomena alalana hanome vaovao ho an’izay mila antontanisa rehetra hanampiana azy ireo. Hatramin’izay isika tsy nazoto loatra nitrandraka ny […]