Manoloana ny fitarainana niparitaka tamin’ny tambajotra sosialy momba ny fanomezan-dra, nilaza ny sampandraharaha misahana ny famindrana ra fa maimaimpoana ny fanomezana izany ho an’ireo marary eny amin’ny hopitaly. Tsy maintsy mitondra olona roa kosa hanolo ny ra iray paosy, hanampiana ny tahiry. Manao fanentanana ny kaominina Antananarivo Renivohitra amin’ny hamenoana […]
Taratra
CEE 2024 : voafantina ireo tanora hanaraka fiofanana
Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina, omaly, ireo tanora 4 mirahavavy voafantina hisitraka ny “Community Engagement Exchange Program, (CEE)”, taona 2024. Anisan’ izany i Jannie Betrasimplice, Razafiarivony Raissa, Randriarimanana lalaina ary Randriamampianina Mialy. Voafidy hanaraka ny fiofanana CEE izy mirahavavy voalohany, raha ho mpitari-dalana na CEE Specialists kosa i Lalaina sy i Mialy. […]
Angovo azo havaozina : hampianarina amin’ ny sekoly teknika
Anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny sehatry ny taotrano sy ny asa vaventy ary ny loharano stratejika. Nisy ny fanadihadiana natao momba ny angovo azo havaozina. Niarahana tamin’ny GIZ sy ny Insitut européen de coopération et de développement (IECD) ny nanatanterahina izany. Hametraka rafitra fanofanana mifanaraka […]
Fako eny Anosipatrana: mamely ny aretin’ny taovam-pisefoana sy fivalanana
Manao antso amin’ny tomponandraikitra ny mponina sy ny mpitsabo eny amin’ny fokontany Ilanivato. Miteraka tsy fahasalamana, indrindra ho an’ny ankizy ny fivangongoan’ny fako eny Anosipatrana. Miakatra be ny isan’ny olona marary, ahitana ankizy sy olon-dehibe, manatona tobim-pahasalamana, ao anatin’ny fokontany Ilanivato. Nanomboka ny volana desambra lasa teo izany. Matetika mahazo […]
Fandraharahana: vonona hampandroso ny indostria malagasy ny UE
Hiara-kiasa akaiky ny Vondrona eoropeana (UE) sy ny minisiteran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC) amin’ny fampandrosoana ny indostria eto Madagasikara. Voalaza izany, nandritra ny fifanakalozan’ny minisitra, Razafindravahy Edgard, sy ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeana, Isabelle Delattre Burger, omaly, tetsy Ambohidahy. Hojerena manokana ny tontolon’ny fampiasam-bola sy ny momba ireo […]




