Niakatra ny saran’ny fikarakarana antontan-taratasy sy ny fiara mpitatitra eny anivon’ny Fitantanana foibe ny fiarovana ny fifamoivoizana (DGSR), nanomboka ny janoary 2024 teo. Hanao fivoriambe ny Fiombonan’ny kaoperativa mpitatitra an-tanàn-dehibe (UCTU) amin’ny talata 9 janoary izao, ka anisan’ny lahadinika ny hampiakarana ho 800 Ar ny saran-dalan’ny taxi-be eto Antananarivo Renivohitra. […]
Taratra
Lehilahy iray voasambotra; nodorany velona ny vadiny, norarahany lasantsy ny trano
Disadisa nitera-doza! Nodoram-badiny tamin’ny lasantsy tao an-trano ny renim-pianakaviana iray, tao Sambava, afakomaly. Saika niharan’ny fitsaram-bahoaka ilay rangahy. Voasambotry ny mpitandro filaminana ilay lehilahy nahavanon-doza nandoro am-badiny tao Antsahapolisy, kaominina Bevonotra, distrikan’i Sambava, afakomaly. Disadisa teo amin’izy mivady ireo no nitarika ny olana. Nohidin-drahalehilahy, araka izany, ny trano nisy ny […]
Atletisma : hisy semi-marathon roa amin’ny taona 2024
Feno ny fandaharam-potoanan’ny federasiona malagasin’ny atletisma (FMA) amin’ity taom-pilalaovana 2024 ity. Hiavaka satria hisy semi-marathon roa. Ny iray fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, tanterahina any Mahajanga, ny 31 marsa ho avy izao. Ny volana mey, hisy ny semi-marathon international. Fihaonana iraisam-pirenena handraisan’ireo mpihazakazaka avy any ivelany anjara. Tsy mbola voafaritra […]
SOMBIM-BAOVAO
-Notapahin’ny federasiona iraisam-pirenen’ny rugby (IRB) taorian’ny fahavitan’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany natao tany France, ny taona 2023 lasa teo, fa hampitomboina ho 24 ny isan’ireo firenena handray anjara amin’ny «Mondial 2027», tanterahina any Australie. Raha tsiahivina, 20 ny isan’ireo niatrika izany taloha. -Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina atsy […]
Badminton – Mada 2023 : ligy efatra hiady ho lohany
Raha tsy misy ny fiovana, hotontosaina eny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja badminton. Hotanterahina ny 13 sy 14 janoary ho avy izao izany. Handray anjara, hiady izay ho lohany, amin’izany ireo ligim-paritra efatra mandrafitra ny federasiona : Analamanga, Vakinankaratra, Atsinanana ary Alaotra Mangoro. Hiady lohany […]




