Efa fantatra avokoa ny fandaharam-potoana ho an’ny taranja Jiu-jitsu breziliana, amin’ny taona 2025. Fifaninanana 5 lehibe no hotanterahina mandritra ny enim-bolana voalohany. Miroso hatrany ny taranja Jiu-jitsu breziliana, eo amin’ny lafiny fifaninanana, na ny eto an-toerana izany, na ny any ivelany. Ho an’ny eto an-toerana, fifaninanana 5 lehibe sahady no […]
Taratra
Tsaboraha: Fetim-pianakaviana hifampiresahana amin’ny razana, any Betsimisaraka
Anisan’ny fomba malagasy iray matanjaka any amin’ ny foko Betsimisaraka ny tsaboraha. Efa miha lefy laza izany ankehitriny noho ny fivoaran’ ny teknolojia. Lanonana ara-drazana mbola tsy lefy laza ny antsoina hoe: “Tsaboraha” any amin’ny foko Betsimisaraka. Fomba amam-panao iray eo anivon’ny rafi-piarahamonina ao amin’ny faritra Analanjirofo sy Atsinanana izy […]
FANTINA sy FINTINA
Voafidy vonjimaika ho ben’ny Tanànan’ Antsohihy, ny mpanakanto, i Vaney’s. Nahazo ny salanisa 49% mahery ny tenany amin’izao firotsahany amin’ny mahaleo tena izao. Efa nirotsaka kandidà depioten’Antsohihy ny tenany saingy tsy lany. Tsiahivina fa vadin’ny depiote teo aloha, efa nodimandry, Jao Jean, ity mpanakanto lasa ben’ny Tanàna ity. Tsy nitsitsy […]
Andriamanana Nivoarivony : “Aleo mitory ny kandidà rehefa manana porofo”
“Aleo ao anatin’ny fitoniana hatrany no iandrasana ny valim-pifidianana havoakan’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny firaisamonina sivily Ivon’ny seha-pifidianana efaina (Ise) ivondronan’ny fikambanana maromaro, Andriamanana Nivoarivony, teny Alarobia, omaly. Ny amin’ny fiandrasana ny voka-pifidianana ofisialin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly no nanambarany izany. […]
Ady tsy vita
Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro, anisan’ny ady atrehin’izao tontolo izao amin’izao? Eo koa ny fanahiana sy fahatahorana hianjera amin’ny ady lehibe. Efa rivotra fohina sy manempotra tato ho ato izay? Ady mivantana etsy sy eroa, fifandranitana sy fifandrahonana atsy sy arỳ… Ho tonga hatraiza? Miara-dalana ho azy amin’izany rehetra izany […]