Nosamborin’ny polisy teo am-panaovana ny asa ratsiny ny mpanendaka roa lahy sarona tetsy Anosibe Tsena, ny alahady 14 jona teo. Vehivavy hamonjy tsena tamin’ny 6 ora maraina, narahin’ireo olon-dratsy. Nandrasan’izy roa lahy tamin’ny toerana mangingina, nokasainy horobaina io ramatoa io. Tetsy ankilany, nisy mpitandro filaminana avy eo anivon’ny boriborintany fahadimy […]
Taratra
Taxi voaendaka teny Vontovorona : Voaroba ny fiara, naratra ny mpamily
Lasibatry ny jiolahy ny mpamily taxi iray ny faran’ny herinandro lasa teo, teny Vontovorona. Novonoin’ireo mpandeha roa noraisina teny Itaosy izy. Voaroba ny vola sy finday, niaraka tamin’ny fiara. Niharan’ny fandrobana sy asan-jiolahy tetsy ambonin’ny Cnaps Vontovorona, fokontany Antanety II, kaominina Alakamisy Fenoarivo, ny zoma alina tamin’ny 11 ora teo, […]
« International Catering Cup » 2026 : Hisolo tena an’i Afrika i Madagasikara sy Maorisy
Notanterahina tao amin’ny Novotel Convention & SPA Ankorondrano ny fifanintsanana iraisam-pirenena momba ny hainahandro « International Catering Cup » andiany faha-10. Firenena 5 aty Afrika no nanana solontena (Côte d’Ivoire, Gabon, Nosy Maorisy, Togo ary i Madagasikara). Fantatra, omaly, fa hisolo tena an’i Afrika any amin’ny dingan’ny famaranana ny ekipa avy eto […]
« Volan’ny ankizy » : Mila haverina ny kilalao fahiny
Sady « Iray volan’ny teny malagasy » no « Volan’ny ankizy » ny volana jona ho an’i Madagasikara. Ho an’ity taona 2026 ity, somary mangingina ny ankizy. Vitsy dia vitsy ny hetsika momba azy io. Kanefa… … Ahitana lesoka goavana be ny tontolon’ny ankizy eto Madagasikara. Iray amin’ireny ny fanabeazana izay mifamatotra amin’ny kilalao […]
INDRAY MIJERY
Vita tamin’ity herinandro ity ny fihaonambe ara-tsiantifika momba ny fikojakojana ireo fitaovana ara-pitsaboana. Antoky ny fahombiazan’ny fitsaboana sy ny kalitaon’ny tolotra fahasalamana omena ny vahoaka ny fahaizana mikojakoja ireo fitaovana eny anivon’ny hopitaly. Fanoitra goavana ho an’ny fampandrosoana sy fanatsarana ny rafi-pahasalamana izany. Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faran’ny herinandro […]





