Taxi-be 109 nifatratra tamina andrin-jiron’ny jirama teo Analamahitsy, omaly maraina. Potika tanteraka ny fiara. Niongotra hatramin’ny andrin-jiro. Voalaza ho fahatapahan’ny hisatra no niteraka ny loza. Nandeha mafy loatra ny fiara, raha ny fahavoazana hita taminy. Zazalahy handeha hianatra vaky loha nofaohan’ny moto, teny amin’ny lalan’ny Tsarasaotra, omaly maraina. Nandeha mafy […]
Taratra
Ampandrana : lehilahy namono tena rehefa avy nanindrona antsy ny sakaizany
Renim-pianakaviana iray hita faty nihosin-dra notsatohan’ny sakaizany antsy teo ambony fandriana teny Ampandrana, omaly maraina. Namono tena koa ilay lehilahy taorian’izay. Tokantrano iray nihosin-dra, omaly tamin’ny 7 ora maraina, teny amin’ny fokontany Ampandrana. Renim-pianakaviana iray no maty notsatotsatohan’ny sakaizany antsy teo ambony fandriana. Namono tena koa ity raim-pianakaviana nahavanon-doza ity […]
Hetsiky ny Hazovato Forello Expo : manomana ny tsara ho an’ny taona 2024
Nanao jery todika ny hetsika rehetra notanterahiny tao anatin’ny taona vitsy ny Hazovato Forello Expo, omaly, teny Antaninarenina. Tsara ny vokatra, « afapo izahay. Nahafahana nahitana fomba fiasa vaovao hanatsarana ny hetsika mbola ho avy ireo vita rehetra. Nahazoana mpiara-miasa vaovao ihany koa izany », hoy ny fanazavan’ny talen’ny Forello Expo, Laélia […]
VAOVAO TAMBATRA
Hanomboka anio, eny amin’ny zaridainan’ Antaninarenina, ny tsenaben’ny mpandraharaha. Hetsika mampivondrona amina toerana iray an’ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny sehatry ny toekarena. Samy hampiranty ny fahaiza-manaony sy ny vokatra ataony avokoa ireo mpandraharaha samihafa. Mitentina hatrany amin’ny 261,1 miliara Ar ny vola azo tamin’ny fampidirana “fripy” teto Madagasikara, nandritra ny […]
Angovo azo avaozina: miasa ny Centrale solaire ao Marovoay
Vita tanteraka ny fananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro (Centrale solaire) CS ao Marovoay. Azo tsapain-tanana ny firosoana amin’ny fampiasana ny angovo azo avaozina. Azo avy amin’ny masoandro ny 60% amin’ity famokarana herinaratra CS ity raha toa ka avy amin’ny milina mpihary herinaratra (Groupe électrogène) mampiasa solika mavesatra kosa […]




