Namoaka fandaminana ny kaominina Antananarivo Renivohitra ho an’ireo fikambanana sy orinasa manao hetsika an-dalambe, fizarana fanomezana ho an’ireo sahirana sy tsy manan-kialofana mandritra ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona. Manomboka amin’ny 6 ora maraina ka hatramin’ny 9 ora alina no hanatanterahana ny hetsika fizarana. Tokony hiantso mialoha ny CUA […]
Taratra
Biraon’ny ankizy tsy ampy taona any Frantsa : “Maro ny ankizy malagasy voakasiky ny votoaty mamoafady”
Nandefa antso maika ho an’ny firenena frantsay ny ECPAT France hanohana ny lalàna eoropeanina manohitra ny fanararaotana mamoafady atao amin’ny ankizy eny amin’ny interinety. Mikendry ny hampandraisana andraikitra ireo mpisehatra amin’ny interinety hanesoran’izy ireo haingana ny sary, feo na horonan-tsary mamoafady mahakasika ankizy ka hitoroka izany ny lalàna. Nampitandrina ny biraon’ny ankizy […]
TARATRY ny KANTO
“Velakevitra momba ny haisoratra”. Hotontosaina anio, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro izy ity, ao amin’ny Efitano Dox, Tranombokim-pirenena Anosy. Iarahana amin’ireo andrarezina roalahy: Ratrema William sy Ranöe. Iry voalohany hamakafaka ny “Hasin’ny teny malagasy”, raha toa ka hamelabalatra ny “fomba hiainana ny teny malagasy” kosa ny faharoa. Seho […]
Fomba amam-panao – Mila mitandrina: mihamaro ny mitonona ho «mahay zavatra»
Tsy tokony ho zava-baovao amin’ny Malagasy ny hoe «mahay zavatra». Saingy, simba tsikelikely izany noho ny antony maro. Satria, ao anatin’ny vanim-potoana fiverenana any amin’ny fototra, izao tontolo izao. Ho an’i Madagasikara manokana, mipoitra etsy sy eroa ireo milaza fa «mahay zavatra». Mahafantatra ny hoavy. Mahay mampitombo vola aman-karena. Mahay […]
“Dobok’amponga” : sehon’ireo mpianatry ny Amponga MDS
Fampianarana mozika mahomby? Ny fahaizan’ny mpianatra ihany no afaka manamafy izany. Efa nanome porofo kosa ireo mpianatra ao amin’ny Amponga-Music & Drum School, raha tsy hiteny afa-tsy ny fandraisana anjaran’izy ireo tamin’ ny “Ankizy Mozika Festival” farany teo fotsiny. Ho fanamafisana izany, mbola hisy ny seho “Dobok’Amponga”, izay hotontosaina ny […]




