Taratra

MPIANAKA NALAINA AN-KERINY/ Natakalo 40 tapitrisa Ariary

Avotra teny amin’ny mpaka an-keriny ireo mpianaka, tao Maha­velona Anka­zo­be. Voalaza fa nandoa volabe ny fianakaviana. Misy milaza fa 20 000 000 Ar, misy miteny fa 40 000 000 Ar. Navotsotry ny mpaka an-keriny omaly hariva, ny mpianaka, nisy naka an-keriny tao Ambohitram­bany, kaominina Mahavelona, distrik’Ankazobe, tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo. Voalaza […]

MINISITERAN’Ny fiarovampirenena : nahazo tohana avy amin’ny sehatra tsy miankina

Nahazo fanomezana avy amin’ny fikambanana tsy miankina iray mikirakira ny tonto­lon’ny infor­mati­ka, Malagasy Fanan­tenana Teknolojia (MFT.MG), ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena (MDN). Anisan’ireo nisitraka ny fitaovana informatika ny akany fi­taizana ireo zaza kambotin’ny Tafika eny Antsahasoa Pagode. Nahazo ny anjarany koa ny ivontoeram-pampianarana tenim-pirenena. Tsy diso anjara ny ivontoerana miandraikitra ny fiahiana ara-pahasalamana. Manampy amin’ny fanatanterahana ireo fanamby apetraka […]

Rafanomezantsoa Jean Nirina : « Ilaina ny famoronana asa eto Madagasikara »

Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny filoha Rajoelina ny famoronana asa eto Madagasikara. Mifanome tanana amin’ny fiahiana ny sosialim-bahoaka ny Globo Madagascar «Vina napetraky ny filoham-pirenena Andry Rajoelina ny fiahiana ny sosialim-bahoaka. Ny olana misy ny asa fa lasa mifidy asa ny ankamaroan’ny olona. Nanangana ny Globo Madagascar izahay ho fanampianay ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tserasera omaly, efa dingana farany sisa no hatao, hifindra ao amin’ny klioban’ny Inter Miami, Etats-Unis, i Luis Suarez, Orogoay mpilalao baolina kitra. Raha tanteraka io fifindrana io, miisa efatra izany ny mpilalao barcelone fahiny ao amin’izy ireo. Anisan’izany, i Messi sy Busquets ary Jordi […]

Andy Erika : niangaly jiu-jitsu nanomboka ny faha-4 taona

Malagasy mpikatroka ny taranja jiu-jitsu zandriny indrindra eto Madagasikara, i Andy Erika, vao 8 taona monja. Zandriny indrindra saingy tena efa misongadina tanteraka satria efa in’efatra izy no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara teo amin’ity taranja ity. Nanom­boka tamin’izy zaza vao efa 4 taona dia efa niangaly ny jiu-jitsu brezilianina i Erika. Efa fahazarana ho azy ny […]