Taratra

Faritra Atsimo Andrefana: olona noana 17 493 hisitraka ny “Toseke Vonje Aigne”

Nosantarina teto amin’ny distrikan’Ampanihy, faritra Atsimo Andrefana, omaly, ny fizarana ny vola hanampiana ireo olona latsaka lalina anaty fahantrana sy ny mosary vokatry ny haintany aty atsimo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Haratonaina fiahiana mpiara-belona (FSS) fiahiana ara tsosialy vokatry ny loza sy ny tandindondoza 9.487 ireo nisitraka izany eto Ampanihy. […]

Vokatry ny toetry ny andro…: mamely ny gripa, misafidy ny toeram-pitsaboana tsy miankina ny marary

Toetr’andro anisan’ny mahatonga aretina maro izao andro iainantsika izao. Ny sohika, olana ara-pisefoana, fahatapahana na fahatsentsenan’ny lalandra any amin’ny loha, gripa ary eo koa ny Covid-19 izay mbola eny amin’ny toerana rehetra eny. Ny soratr’aretina  gripa no tena mahazo vahana indrindra, raha ny fanadihadiana natao teny anivon’ny hopitaly miankina sy […]

Fi.Mpi.Ma 59 taona: dinihina anio ny tetikasa 2023

Marihina amin’ny alalan’ny hetsika samihafa, ao anatin’ny herinandro ny faha-59 taona niorenan’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma). Nanomboka ny 16 novambra, fandaharam-potoana maro no notanterahina. Ny anio kosa, hiroso amin’ny fanapahana ireo tetikasa hotanterahina amin’ny taona 2023, ity fikambanana zokiny indrindra amin’ny fikajiana sy fampivelarana ny tontolon’ny kabary ity. Hanomboka amin’ny […]

Hiverina hisokatra…: mpanakanto 10 vaovao hiara-kiasa amin’ny Isart Gallery

Nampahafatarina teny Ampasanimalo, omaly, fa hisy mpanakanto folo vaovao hiara-kiasa amin’ny Isart Gallery amin’ilay tetikasa Vina. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny trano fampiratina amin’ny 24 novambra, ary maimaim-poana ny fidirana.   Taorian’ny telo taona nikatonan’ny Isart Gallery noho ny Covid-19, miverina misokatra indray ny trano fampirantiana. Nampahafantarin-dRakotoarivony Tahina, talen’ny Isart Gallery, teny […]

Fiainana antoko: hanamarika ny faha-20 taonany ny Tim Morondava

Hotanterahina anio ao Morondava ny hetsika fanamarihana isam-paritra ny faha-20 taonan’ny antoko Tim. Anisan’ny hiatrika sy hitarika izany any an-toerana ny mpanorina ny antoko, Ravalomanana Marc sy ny sekretera jeneraly, Randriamasinoro Riana. Nialoha izany, nitafa mivantana amin’ireo vahoaka sendra azy teny an-dalana (RN34) nanomboka teny Miandrivazo sy ny manodidina ny […]