Taratra

INDRAY MIJERY

Fampahafantarana ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ny zon’ny olona manana fahasembanana no nanamarihan’ny Akanin’ny marenina (Akama) ny an­dron’ny olona manana fahasembanana. Niarahana ta­min’ny tetikasa “Kolohay”, misehatra amin’ny fanabeazana mampiaty sy ny CBM ny hetsika. Mafy kokoa ny fanamby atrehin’ny ankizy manana fahasembanana manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, hoy ny Unicef. Ilaina […]

SIDA teto Madagasikara : niakatra 423% ny taham-pahafatesana

Nilaza ny masoivoho amerikanina, Pierangelo Claire, fa tao anatin’ny 10 taona dia nitombo 240% ny trangana VIH teto Madagasikara. Ni­tombo 423% ny fahafatesana vokatr’ity aretina ity. Mila mitambatra na ny mpitondra na ny mpiara-miombon’antoka amin’ny tolona iombonana ho famongorana ny aretina VIH/Sida, hoy hatrany ny masoivohon’i Etazonia. Ezaka ny hanatrarana […]

Seces Fianarantsoa: hamarana ny taom-pianarana

Taorian’ny fivoriana nataon’ny mpampianatra mpikaroka (anatin’ny Seces) ao amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa, ny faran’ny herinandro lasa teo; tapaka fa hiverina hamarana ny taom-pianarana 2022-2023 izy ireo. Nanamarika sahady kosa anefa ny mpampianatra mpikaroka fa hampihatra ny tapaka nandritra ny Kongresy nasionaly nataony ny volana desambra 2021, ho an’ny taom-pianarana vaovao 2023 […]

Olona manana olana ara-pahitana : nisy ny taratasim-pifidianana «braille» natonta

Nisy dingana vita tamin’ity taona ity ho an’ny olona manana fahasembanana. Anisan’izany ny fandraisana anjara tamin’ny zotram-pifidianana sy ny fanehoan-kevitra eny anivon’ny fiarahamonina. Zavatra iray lehibe nisongadina tamin’ity taona ity ny adisisika nataon’ny firaisamonim-pirenena ny amin’ ny tokony handraisan’ny olona manana fahasembanana an­jara anatin’ny zotram-pifidianana. Manomboka amin’ny fiomanana rehetra izany […]

Famokarana: mpamboly 855 nisitraka masomboly

Mitohy hatrany ny fampandrosoana sy fampiroboroboana ny famokarana, hanatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Mpamboly maro avy amin’ny faritra samihafa manerana ny Nosy no nisitraka masomboly entina hampiroboroboana ny seha-pihariany, ny herinandro teo. Tan­tsaha 165 avy ao amin’ny faritra Sofia no nomena masomboly vary an-drano milanja 1 980 kg sy zezika NPK […]