Taratra

Opération Cash-point : tsy milamina ny Renivohitra!

Tao anatin’ny herinandro, mpanao Cash point miisa telo, tamin’ny toerana samihafa norobain’ny jiolahy. Vehivavy iray indray lasibatra tetsy Manakambahiny, omaly. Lasan’ny telo lahy nitam-basy ny vola tao anatina kitapon’ny vehivavy iray mpanao Cash-point eo Mana­kambahiny, anatin’ny boriborintany faharoa, omaly maraina. Hanao ny asa fanaony andavanandro, niala teny amin’ny trano fonenany […]

Fonjamby-Rosina sy Claudio : “Fahaizana mifanohana no antoky ny fahombiazana”

Mpivady samy misehatra eo amin’ny taranja fibatana fonjamby, Randafiarison Rosina sy Randrianavalona Claudio. Nambaran’izy roa fa ny fahaizana mifanohana no antoky ny fandresena sy ny fahombiazana azo rehefa miatrika fifaninanana. Tena mila fahaizana mandamina fotoana ihany koa satria sady mikarakara tokantrano no mikotrana. « Mifanampy amin’ny zavatra rehetra », hoy i Rosina. […]

SOMBIM-BAOVAO

Araka ny vaovao voaray omaly, tafita hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany, taranja tenisy ambony latabatra, i Madagasikara. Nahazo ny laharana fahadimy isika nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, izay atao any Tunisie, ny 11 – 17 septambra. Lavontsika tamin’ny seta 3 no ho 2 i Cameroun. Mitombo hatrany […]

Rugby Mondial 2023: hidona i Nouvelle Zélande sy i Namibie

Hotanterahina anio, any Frantsa, ny andro faharoan’ny vondrona « A », amin’ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany “World Rugby Cup 2023”. Anisan’ireo lalao heverina ho toy ny famaranana kely ny fihaonan’ny All Blacks, Nouvelle Zélande sy i Namibie, solontenan’i Afrika. Tsiahivina fa ny ekipan’ny All Blacks, lavon’ny XV Bleus France, tamin’ny isa […]

Fifidianana filohan’ny FMF : miisa dimy ny kandidà hofidin’ireo ligy 22

Taorian’ireo kandidà telo, fantatra omaly avokoa ireo olona nirotsaka hofidina izay ho filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nifarana omaly tamin’ny 6 ora hariva, teny Iso­raka, ny fe-potoana nomena ireo olona hirotsaka ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny baolina kitra (FMF). Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny FMF, miisa dimy […]