Taratra

“Coupe de la Confédération, CAF” : hidona amin’ny Gaborone United Botswana ny Elgeco Plus

Notontosaina, omaly, tany Le Caire Egypte, ny antsapaka ho an’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika “Coupe de la Confédération de la CAF 2023 (CCAF)”, taranja baolina kitra. Araka izany, ny Gabo­rone United Sporting Club Botswana no mpifanandrina amin’ny Elgeco Plus Mada­gasikara amin’ity fifaninanana ity. Ny 18 na 19 na 20 aogositra […]

Kitra : hanoman-tena atsy Afrika Atsimo i Maurice

Nambaran-dRasoanaivo Fidy, ilay Malagasy mpanazatra ny Club M ao Maurice, taranja baolina kitra, ny alakamisy lasa teo, nandritra ny fanazarantena notanterahiny tany an-toerana fa handeha hanoman-tena atsy Afrika Atsimo, izy ireo, ny fiandohan’ny volana aogositra ho avy izao. Efa nandefa ny taratasy fangatahan-dalana any amin’ny federasiona maorisianina ny tenany ary […]

Karate – Lalaon’ny Nosy 2023: hahazo valin-kasasarana izay mahazo medaly

Maneho ny fahavononany hanohana ny taranja karate, amin’ny fanomanana sy fiatrehana ny lalaon’ny Nosy, ireo minisitra mpiahy ity taranja ity. Nampanantena hanome valin-kasasarana ho an’izay mahazo medaly izy ireo. Tonga nitsidika ny ekipam-pirenena malagasy tetsy amin’ny Madagas­car Espace By-pass, omaly, ireo minisitera roa mpiahy ity taranja ity. Nambaran’ny se­kreteram-panjakana miadidy […]

Fampirantiana momba ny fiofanana : hahazo vahana ny teknolojia vaovao

Ho maro anisa kokoa ny oniversite mampiofana mom­ba ny informatika sy ny orinasa misehatra amin’izany mandritra ny hetsika fampahafantarana fiofanana sy asa andiany fahafito eny amin’ny AFT Andavamamba. Sehatra mi­roborobo eto amintsika sy maneran-tany ny informatika sy ny teknolojia vaovao ary manana ny toerana eo amin’ny tontolon’ny asa ka entanina […]

INDRAY MIJERY

Tsy niandry! Namoaka ny tetiandro hizarana ny vatsim-pianarana efa-bolana, ho an’ny oniversitem-panjakana rehetra ny minisiteran’ny Fampianarana ambony raha vao nanao fanambarana iraisana ny fikambanan’ny mpianatry ny oniversiten’Antananarivo. Nanomboka ny 24 aogositra ka hatramin’ny faran’ny volana aogositra ny fandoavana ny vola. Voaloa 100% ny tambin-karama nandritra ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC […]