Taratra

Tatitry ny BNGRC… 16 ireo olona maty vokatry ny rivodoza

Niakatra ho 16 ireo olona maty vokatry ny  fandalovan’ny rivodoza Cheneso teto amin’ny firenena.  Mahatratra 16 ihany koa ireo tsy hita popoka nandritra izany, raha ny tatitra voaray avy amin’ny BNGRC, omaly. Mahatratra 55 421 ireo olona traboina manerana ny Nosy, vokatry ny  fiakaran’ny rano sy ny fahapotehan’ny trano fonenana.  12 665 […]

Sekoly 800 nohadihadiana: 4% amin’ny mpianatra T4 no mahafehy ny kajy sy frantsay

Nisy ny fanadihadana natao momba ny fari-pahaizan’ny mpianatra sy ny mpanabe teny amin’ny sekolim-panjakana  (EPP) 800  ny taona 2016 ka hatramin’ny 2021, teny anivon’ny kaominina 548 niarahana  tamin’ny Banky iraisam-pirenena. Nivoitra fa 4%  amin’ny mpianatra kilasy T4 nanaovana fanadihadiana no nahamarina ny 80% amin’ny fanontaniana napetraka ho an’ny taranja kajy […]

Lemak’Antananarivo… Miakatra ny rano, mihatra loza manambana

Nanomboka omaly maraina, mihatra eto amin’ny lemak’Antananarivo ny filazana miloko mavo, indrindra ho an’ireo manamorona ny reniranon’i Sisaony. Miakatra tsikelikely ny rano vokatry ny rotsak’orana nisesy. Voakasiky ny filazana ny kaominina valo manodidina. Anisan’izany  ny kaominin’i Tsiafahy, Androhibe Antsahadinta, Bongatsara, Antanetikely Ambohijoky, Alatsinainy Ambazaha, Ampahitrosy, Soalandy, Ampanefy, Soavina, Anosizato Andrefana, […]

Hoavin’ny kolonsaina malagasy Hovidian-dafo atsy ho atsy ny vokatry ny fanononana « papa sy maman »

Hatramin’izao, mbola manana akony matanjaka ao amin’ny firenena voazanaka ireo foto-panabeazana napetraky ny mpanjakazaka an-tanin’olona. Tazana mivandravandra be izany eo amin’ny fiarahamonina malagasy. Anisan’ny ianjadian’io mafy ny kolontsaina sy ny kolo saina eto Madagasikara. Toe-tsaina sy fomba fisainana tia manindrahindra ny an’ny vahiny. Raha izao no mitohy, tsy ho voasanda […]