Seho lehibe voalohany amin’ity taona 2023 ity. Hotanterahina ao amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny Kolontsaina, etsy Mahamasina ny famaranana ny fanamarihan’ny Tanora Masina Itaosy (TMI) ny fankalazana ny faha-30 taona nijoroany. Fampisehoana lehibe hotanterahina ny 5 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro. « Tanora Msina Itaosy en Live », fampisehoana mandritra […]
Taratra
Mitoetra hatrany ny sanganasany…: nodimandry i Nary Guy, nanangana ny Nary Arthur
Rakotofamola Nary Guy no anarany feno. Anisan’ireo andrin’ny tarika Nary Arthur izy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny zanany, nodimandry omaly maraina, rehefa nialana nenina tao amin’ ny hopitaly Ankadifotsy, ity mpanakanto ity. 70 taona i Nary Guy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Mpamoron-kira, mpihira ary mpitendry gitara i Nary Guy. Izy […]
Varotra fampirantiana : maro ny Malagasy liana amin’ny hosodoka
Tanterahina eny amin’ny Galerie Art Raparivo Ivokolo Analakey, ny varotra fampirantiana ny hosodoko, asa tanan’i Zonasandratr’Art. Ampolony ny hosodoko miranty eny an-toerana. Nanomboka ny talata 10 janoary 2023 izany varotra fampirantiana izany ary tsy hifarana raha tsy ny 25 febroary 2023. Ity mpanakanto mpanao hosodoko ity irery no hampiranty sy […]
Le Lauréat Ratsimaholy : mampigadra enim-bolana ny fanaovana boky hosoka
Maro ny olona mivelona amin’ny fivarotana sy fanjifana boky hosoka eto amin’ny Nosy. Nanao antso avo mikasika izany ny mpanoratra boky “Le lauréat Ratsimaholy” mba hanjifan’ny olona ny boky ara-dalàna hatrany. Betsaka ny olona mivarotra boky malagasy hosoka amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera sy amin’ny fanaovana dika mitovy ary fanaovana «plagiat». “Miteraka […]
Antoko Natiora: “Fotoana hiovana toe-tsaina izao”
Naneho ny heviny mikasika ny fitondrana fanjakana sy ny tsy fahatomombanan’ny fifidianana hisy eto amin’ny firenena ny antoko Natiora. Nambaran’izy ireo fa fotoana izao hanaovana ny fanovana ny foto-pisainan’ny vahoaka malagasy rehetra sy ny mpanao politika. Miandrandra fifidianana izy ireo nefa mahita fa tsy mbola feno ny fepetra hidirana amin’izany […]





