Manoloana ny vono olona mahatsiravina nahafatesana mpivady avy namboly teny an-tsaha, tao amin’ny kaominina Kiranomena, distrikan’i Fenoarivobe, ny 23 desambra teo. Olona sivy mianadahy naiditra am-ponja vonjimaika taorian’ny fanadihadiana lalina nataon’ny mpitandro filaminana tao an-toerana. Raha tsiahivina, nifamaly tamin’ireo mpivady ireo ny zanaky ny rahalahin-drain’izy ireo. Noho ny tsy fifankazahoana […]
Taratra
Ambodimanga : jiolahy nahatrarana entana halatra sy vola 2 tapitrisa Ar
Voasambotry ny polisy ao amin’ny kaomisarian’Antaninandro (CSP3) teny Besarety Ambodimanga, afakomaly, ny jiolahy iray mbola tsy ampy taona. Voarohirohy ho tompon’antoka tamina halatra izy, raha ny tatitra nampitain’ny polisy. Naharay antso tamin’ireo olona teny amin’ny manodidina ny polisy, noho ny fisiana tovolahy iray mampiahiahy mihaodihaody eny amin’iny faritr’i Besarety iny. […]
Menabe : raim-pianakaviana iray matin’ny dahalo
Nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany Ampandrabe, kaominina Ankilizato, distrikan’i Mahabo, omaly. Niditra an-keriny nandroba omby miisa valo teo an-toerana ny andian-dahalo nirongo basy. Vokany, raim-pianakaviana iray 36 taona teo no maty voatifitra tao an-tranony tokony ho tamin’ny 02 ora maraina. Vita izay, norobain’ireo olon-dratsy ny omby. Ankoatra izay, lavon’ny polisy […]
Niady tao amin’ny kariera : lehilahy maty nolerana zava-maranitra
Potika ny lohany sady trobaka ny kibony, hita faty tao amin’ny kariera iray ao Ambatofinandrahana ny lehilahy iray, ny talata lasa teo. Nifanenjehana ireo namono azy. Nolerana zava-maranitra teo amin’ny valahany sy notontaina vato teo amin’ny lohany, namoy ny ainy vokatry ny ratra nahazo azy ny lehilahy iray tao amin’ny […]
Slalom – “Mada 2022” : nanao pao-droa Rakotojohary Tovonen Jr
Niavaka ny zava-bitan-dRakotojohary Juan (Tovonen Jr), teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Slalom, ho an’ iny taona 2022 iny. Nanao pao-droa ny tovolahy satria sady norombahiny ny teo amin’ny filaharana ankapobeny no azony ihany koa ny teo amin’ny sokajy zandriny “espoir”, 14-17 taona. Raha hiverenana ny vokatra azony, […]





