Hatolotra ny fampanoavana ireo jiolahy roa voasambotry ny polisy teny Ampandrana, afakomaly. Ny polisin’ny CSP3 Antaninandro no nahasambotra ireto jiolahy ireto. Nifanehatra tamin’olona niantso vonjy tamin’ny lalana iray eny Ampandrana ny polisy ka nandray ny andraikiny avy hatrany nifanenjika tamin’ireo olon-dratsy tany anaty elakela-trano. Tsy afa-bela teo anatrehan’ireo polisy ireto […]
Taratra
Fianarantsoa: tratra ireo efa-dahy nangalatra zaza varira sy namono ny reniny
Ireto efa-dahy tratran’ny zandary ireto no niteraka ny raharaha fifandonana tao Ikongo momba ilay halatra zaza varira sy namono nahafaty ny reniny… Tratra ihany! Voasambotry ny zandary tao Fianarantsoa, omaly antoandro, ireo efa-dahy tompon’antoka tamin’ilay halatra zaza varira sy namono nahafaty tamin’ny fomba feno habibiana ny renin’ilay zaza, ny 29 […]
Nilalao teo amoron-drano : ankizivavy iray lanin’ny voay
Tsy hita popoka, lanin’ny voay ny ankizivavy iray 14 taona, monina ao Vohilava, distrikan’i Farafangana, afakomaly hariva. Nilalao teo amoron-dranon’i Manampatra, kaominina Vohilava, distrikan’i Farafangana ireo ankizivavy maromaro tamin’io fotoana io. Nampandre ny manodidina ireo namany ireo fa lanin’ny voay ilay ankizivavy ka tsy hita ny misy azy. Nanamarina ny […]
Vangaindrano : nodorana ireo rongony 22 kilao
Nodorana nanoloana ny biraon’ny sefo distrika tao Vangaindrano ireo rongony 22 kilao, omaly maraina. Tratran’ ny zandary tany anaty ala Agnandrembahy, fokontany Morondava, kaominina Nosifeno Midongy Atsimo, ny 11 desambra teo, ireo zava-mahadomelina ireo. Voarohirohy tamin’io ny lehilahy 20 taona iray nitondra gony roa feno rongony. Natolotra ny fitsarana izy […]
Nilalao lakana: lehilahy mamo natelin’ny rano
Lasan’ny rano i Pala, rehefa nilalao zahatra na lakanakely teo amin’ny reniranon’Itomampy, afakomaly hariva. Mamo izy io ka nivadika ny zahatra nentiny. Maty lasan’ny rano ny lehilahy iray, afakomaly tamin’ny 5 ora hariva. Raha ny tatitra voaray, nilalao zahatra teo amin’ny reniranon’ Itomampy, andrefan’Itanakidy izy io. Nivadika ny zahatra avy […]





