Ankizilahy roa 15 sy 16 taona tratra nangarom-paosy sy nisoloky tao Toamasina, omaly antoandro. Ny polisin’ny BFP (Brigade feminine de proximité) Toamasina no nahasambotra azy ireo taorian’ny fanenjehana. Ankizilahy 12 taona no niharan’ny asa ratsin’izy ireo. Ny iray mandrahona, ny iray kosa maka ny zavatra ao anaty paosy sy ny […]
Taratra
Mahajanga : may ny orinasa Sitam
Nijoalajoala ny afo tao amin’ny orinasa Sitam « Société Internationale des Tabacs Malgaches », omaly tokony ho tamin’ny 02 ora maraina, tao Manjarisoa-Mahajanga. Vokany, may avokoa ny iray ampahatelon’ny « entrepôt » an’ity orinasa ity. Hatreto tsy fantatra ny antony nahatonga ny loza, fantatra kosa fa antapitrisa maro ny totalim-bidin’ny entana levon’ny afo. « Olon-tsotra […]
Ambondromamy: dahalo raindahiny maty voatifitry ny zandary
Rotiky ny balan’ny zandary avy ao amin’ny borigadin’i Manerinerina ny dahalo raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, ny asabotsy alina lasa teo. Raha ny tatitra nampitain’ny zandary, nitrangana fanafihan-dahalo tao amin’ny fokontany sy kaominina Ambondromamy tamin’io fotoana io ka isan’ny tompon’antoka tamin’izany ity dahalo ity. Lasan’ireo mpanafika tamin’izany ny moto niaraka tamin’ireo […]
Basikety: nandresy ny DTSC ny Ankoay U19
Niatrika lalao fitsapana, nanoloana ny ekipan’ny DTSC, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny Ankoay sokajy lehilahy. Nahavelombolo ny vokatra azony satria nandresy tamin’ny isa 68 no ho 42, nanoloana ny DTSC,. Fandresena azo lazaina ho tsara satria hita taratra ny fahaiza-miaraka eo amin’ny mpilalao na dia […]
Judo – Mada 2022: judokas 329 ny hifaninana hatreto
Hatao, anio, ny atsapaka sy fandanjana, mialohan’ny hiatrehana ny fifaninanana, amin’ny fiadiana ny ho tompondaka an’i Madagasikara, taranja Judo. Fifaninanana hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, rahampitso sy rahafakampitso. Mavitrika ny mpandray anjara, amin’ity fandaharam-potoana hamaranana ny taona 2022 ity. Efa manodidina ny 329 no nanao ny « engagement » handray […]





