Niakatra fampanoavana ny alakamisy ka notazonina vonjimaika ao amin’ny fonjan’i Tolagnaro ilay lehilahy 46 taona, voatondro ho nanolana sy nahabevoka ankizivavikely 12 taona. Voasambotra ny talata teo, rehefa nanao ny asa ratsiny nandritra ny herintaona. Ny 15 desambra teo,raha iverenana ny zava-nitranga, efa alina vao niditra ny trano ilay ankizivavikely […]
Taratra
Mpangataka eny amoron-dalana: tsy very anjara amin’ny Noely
Olana ara-piarahamonina avokoa no itovian’izy ireo. Misy ny nilaozan’ny vadiny, ny maty vady. Misy kosa ny manao ny fangatahana ho fanampiany ny vadiny miasa. Manodidina ny 5000Ar ny azon’izy ireo isan’andro, ho an’ny mpangataka ao amin’ny tonelina Ambohidahy. Renim-pianakaviana miaraka amin’ny zanany ny ankamaroan’ny mpangataka eo . “Eto mba mety […]
Noelin’ny kamboty: miandry fahagagana i Perline telo mianaka
Bevohoka telo volana i Ravaonasolo Marie Perlienne, no maty vady. Tsy misy mpiahy izy telo mianaka ka lasa mpatory an-dalana na 4’Mis. Fahaganana andrasany amin’ny Noely, hahita vola ahafahana mody an-tanindrazana sy ho eo anivon’ny fianakaviany. Mahonena ny mahita ny mpangataka, indrindra ny reniny mitrotro ny zanany, eny an-dalambe […]
Basikety-Taona 2023: hiatrika fifaninanana iraisam-pirenena 5 ny Ankoay
Ho feno tanteraka ny tetiandro ho an’ny ekipa malagasy, taranja basikety, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny taona 2023. Fifaninanana iraisam-pirenena dimy no handraisan’izy ireo anjara. Ankoatra ny lalaon’ny Nosy 2023, hatao eto Madagasikara izay handraisan’ny taranja basikety anjara mavitrika, eo amin’ny 3×3 sy 5×5, fifaninanana iraisam-pirenena dimy no hilalaovan’ny ekipa […]
«Echange Nationale»: sekolin’ny kitra fito hifaninana
Hiditra amin’ny andiany faharoa ny “Echange Nationale”, fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny, U9, U12, U14. Hotanterahina ao amin’ny kianja Stadium Barikadimy sy CRJS Toamasina izany, ny 27, 28 ary ny 29 desambra ho avy izao. Sekolin’ny baolina kitra miisa fito no hifampitana amin’ity, ka telo avy ao Toamasina […]





