Taratra

Vaky fasana tao Ikalamavony: taolam-paty 24 lasan’ny jiolahy

Nosavoritahan’ireo jiolahy ny fasana, lasany ny toalam-paty 24 tao atsimon’ny tanànan’Ikivaho, kaominina Fitampito, distrikan’Ikalamavony,  ny alin’ny alarobia hifoha ny alakamisy teo. Naharay antso ny zandary tao amin’ny borigadin’i Fitampito . Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny roalahy. Efa nisokatra ny fasana izay hita fa nosavoritahan’ny jiolahy.  Natao ny fitsirihana ny tao […]

CNLS-Sida: misy fanodinkodinam-bola, hitsirika ny IGE

Misy tsy mazava ary tsy mangarahara. Anisan’ny nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo ny handefasana ny  mpisafondraharaham-panjakana “Inspection Générale d’Etat – IGE” hanao fanadihadiana ny eo anivon’ny Fandrindrana ny ady atao amin’ny Sida (CNLS). Hentitra ny filoha Rajoelina Andry tamin’izany fa tsy maintsy tanterahina anaty fotoana fohy izany fanadihadiana […]

Tsy misy fahagagana

Vao miresaka atsimon’ny Nosy dia mby ao an-tsaina ny hanoanana sy ny haintany. Efa mivadika anefa ny rasa ankehitriny. Vao miandoha ny fahavaratra, efa mikija ny orana. Miakatra izaitsizy ny rano, mandrakotra tanàna maro. Manomboka misy ihany koa ny lalana tapaka, toy ny eny amin’ny Lalam-pirenena faha-13. Maro ny fiara […]

Echec-Mada : nanao pao-droa i Toavina

Tontosa, ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Live Hotel Andavamamba, ny fiadiana ny tompondakan’i Ma­dagasikara Blitz sy Rapide, taranja Echec. Nisongadina tanteraka ny mpilalao Raza­nadrakotoarisoa Toavina, izay sady nahazo ny fandresena teo amin’ny Blitz no voahosotra ho tompondaka teo amin’ny Rapide ihany koa. Notsoahiny teny am-pelatanan-dRakoto­maharavo Dylan (tompondaka 2021) ny […]