Voasambotry ny polisy ilay lehilahy nandroba vehivavy mpanao «Cash point» tao Tsiroanomandidy. Mbola tratra teny aminy ny vola 3 tapitrisa Ar sy finday 12 isa norobainy. Tsy lasa alavitra akory! Tra-tehaky ny polisim-pirenena, ny zoma teo tokony ho tamin’ny 05 ora hariva ilay lehilahy nanafika Cash point tao Tsiroanomandidy. Nitranga […]
Taratra
Hainahandro : hifaninana amin’ny «ICC» ny ekipa malagasy
Telo ny fifaninanana iraisam-pirenena goavana momba ny hainahandro, ka iray amin’ireny ny «International Catering Cup» na ny ICC. Hanana ekipa hifaninanana amin’ny andiany faha-8 i Madagasikara. Rahajamalala Fenosoa no hitarika, Rakotovao Bodo no miray lisitra aminy. “Coach” i Chef Lalaina Ravelomanana. “Mpiara-miasa efa ela amiko ato amin’ ny Marais Restaurant […]
Kitra – Lalao fihantsiana : vonona hanohitra ny Barea ny ekipan’i La Réunion
Ho ambohipihaonan’ny mpitia baolina kitra ny etsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina, anio asabotsy. Hotanterahina eo ny lalao fihantsiana eo amn’ny Barea «Chan» sy ny ekipa voafantin’i La Réunion, hatevenin’ireo mpilalao malagasy mila ravinahitra any amin’io Nosy rahavavy io, toa an’i Dina, i Ando Pro, i Boura sy i Baggio ary i […]
Fampisehoana ho an’ny ankizy: hiavaka ny «Cirque Momota»
Hisy ny “Cirque Momota”, hetsika ho an’ny ankizy, iarahana amin’i Momota sy ny tariny sy ny «Aléa des possibles». Ny alahady 18 desambra 2022, amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Lapan’ ny kolotsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. “Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny ankizy malagasy . Eo koa ny fanaovana seho […]
Unesco – Lakozia mitety sekoly : nomen-danja ny sakafo malagasy sy ny ankizy
Notanterahina, omaly, teny amin’ny zaridainan’Andohalo ny «Lakozia mitety sekoly». Hetsika niarahan’ny vaomieram-pirenena malagasy momba ny Unesco (Com.Nat. Unesco) sy ny Haka Fy Authentic Restaurant, hanomezan-danja ny sakafo malagasy sy ny ankizy. Notsiahivin’i Manda Ravelojaona, S.G. Com.Nat. fa : «mivoy kolontsaina ny sakafo. Misy fotony avokoa ny zavatra ao anatin’ireny taharo ireny. […]





