Nahazo sazy asa an-terivozona 5 taona any am-ponja i Totozara Ernest, namono tovovavy tamin’ny vy maranitra. Tsy mahazo mankany Toamasina intsony rehefa tafavoaka ny fonja. Niakatra fitsarana, omaly, ny raharaha nahafaty an’i Fanahia, mpianatra lalàna tao amin’ny Oniverisiten’i Barikadimy-Toamasina. Voarohirohy namono nahafaty azy i Totozara Erneste na I “Fer Rond”, […]
Taratra
Karate Malagasy : nosazian’ny UFAK avokoa ireo Federasiona roa
Nilatsaka ny sazy ho an’i Madagasikara ! “Tsy afaka mandray anjara amin’ireo hetsika rehetra, karakarain’ny UFAK, ireo federasiona roa eto amintsika”, ho an’ny taranja karate. Io no sazy navoakan’ny «Union des Fédérations Africaines de Karaté», tamin’ny alatsinainy 12 desambra lasa teo. Ankilany, tsy iharan’izany ireo karatékas, fa mahazo mandray anjara amin’ireo […]
Lomano – Tompondaka eran-tany 25m : nanamontsana « record national » i Jonathan
Niditra an-tsehatra, omaly, teo amin’ny fifaninanana 100 m brasse, ny mpilomano malagasy, Raharvel Harivony Jonathan, tafiditra amin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany, ho an’ny dobo filomanosana 25 m, taranja lomano, hatao any Aostralia. 1.01.08 no nahavitan’i Raharvel Harivony Jonathan, ny fifaninanana 100m brasse, tany amin’ny dobo filomanosana Melbourne Aostralia, io « record […]
Tenisy ho an’ny jeneraly : tompondaka i Sahivelo sy Razafimboto
Nandrombaka ny amboara tamin’ny “Tournoi des étoiles”, taranja tenisy, ny lehiben’ny Etamazaoron’ny tafika, ny Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, sy ny Jeneraly Razafimboto. Fifaninanana natao ny talata lasa teo, teny amin’ny kianja Complexe Sportif Militaire Betongolo. Hetsika karakarain’ny Ofisy miaramilan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina (OMSC), ary ny Sampana misahana ireo […]
CIJ – Madagasikara : efa vonona ny fandraisana ny lalaon’ny Nosy
Mivory mandritra ny telo andro eto Madagasikara ny CIJ (Conseil International des Jeux). Naneho ny fahavononany handray ny lalaon’ny Nosy 2023 i Madagasikara, nandritra ny fanokafana ny fivoriana omaly, teny amin’ny Novotel Alarobia. Efa fantatra avokoa ireo toerana sy kianja handraisana ireo taranja 23 hifaninanana ka nampahafantarina ny CIJ, omaly. […]





