Taratra

Tanàna maitso-Unicef : hanaovana andrana amin’ny toerana efatra any Bekily

Hanaovana andrana amin’ny tanàna efatra ao anatin’ny distrikan’i Bekily: Besakoa, Ankaranabo Avaratra, Ambatosola ary Vohimanga ny fametrahana ny tanàna maitso. Miaraka amin’ny Uni­cef izay vatsian’ny mpiray ombon’antoka maro ary anisany i Frantsa sy Pays-Bas andrana momba ny tanàna maitso tanterahina ao Bekily. Tolotra feno amin’ ny rano hosotroina, hambolena sy […]

Fitsarana TPI: hampiasana informatika « logiciel » ny ady madio

Mandeha ny fampiroboroboana ny niomerika eny anivon’ny fitsarana, hitantanana ny raharaha ady madio. Nan­katovina ny 9 desambra teo ny bokin’andraikitra, mirakitra ny fitaovana informatika nomena ny anarana hoe « logiciel » taorian’ny dingana rehetra natao teny amin’ny fitsarana niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sami­hafa. Hisitraka sy hampiasa ity « logiciel » ity ny fitsarana ambaratonga voalohany […]

Rio Tinto QMM : mifampiraharaha amin’ireo manana olana ara-tany

Ny 12 desambra 2022, nisy ny fifampidinihana teo amin’ny Rio Tinto QMM niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpanjono sy ny mpampanofa fitaovana (usufruitiers). Izany dia tafiditra amin’ny fifanarahana vita sonia, ny 20 mey 2022, niaraka tamin’ireo ma­nam-pahefana sy ny solontenan’ny mpanao fitarainana. Nanaiky ireo mpanjono sy ny hafa hanomboka ny fifampiraharahana. Fanambarana […]

Sainte -Marie : hamafisina ny fiofanana fandraisam-bahiny

Notokanan’ny Vatel Ma­da­gascar, any Sainte Marie, ny 10 desambra 2022 teo, ny foibe fanofanana momba ny asa mifandray amin’ny fandraisam-bahiny anatin’ny ho­tely, mitondra ny anarana «Fanorona» : mpahandro, mpandray vahiny, mpikarakara efitrano, mpandroso sakafo. Telo volana ny faharetan’ny fiofanana, fianarana sy fampiharana . Ny fianarana dia ao amin’ny foibe Ceta­mada , […]

Tsy nahomby ny fitantanana :«Mitentina 780 miliara Ar ny devizy volamena tsy hita», hoy ny Fitsarana ny kaonty

Voalaza fa voarara ny fanondranana volamena mankany ivelany, nanomboka ny oktobra 2020. Araka ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty anefa, misy ny tarehimarika voarain’ny sampana fadintseranana fa naondrana any ivelany, ary misy koa etsy andaniny ny any amin’ny sehatra iraisam-pirenena, nanomboka ny taona 2018 hatramin’ny 2021. Nanao tatitra ny […]