Politika

FFKM : Tafatsangana ny birao ho an’ny fikaonandoham-pirenena

Natolotry ny FFKM ofisialy teny amin’ny Village Voara Andohatapenaka, omaly, ireo mpikambana mandrafitra ny birao sy komity teknika hitantana ny Fikaonandoham-pirenena. Mizara 4 mazava izay birao izay. Ahitana ny filankevi-pitantanana izay misy mpitantana 17. Ani­san’ny voatendry ao anatin’ny filankevi-pitantanana, ny Prai­minisitra teo aloha, Raman­dimbiarison Zaza sy ny mpahay toekarena, Zafima­hova […]

FANTINA sy FINTINA

Hamory ireo ben’ny Tanàna manerana ny Nosy eto Antananarivo, ny filohan’ny Fanavaozana, araka ny nambarany nandritra ny kabary nataony tany Evato, distrikan’i Farafangana, ny faran’ny herinandro teo. Fandinihana izay hampandrosoana ny firenena no tanjona amin’izany fihaonana izany. Am-perinasa tanteraka ny Vaomiera mpanao fanadihadiana parlemantera momba ny fitantanana ny volam-panjakana nandritra […]

Minisitry ny Fitsarana : “Miezaka miaro ny fanjakana tan-dalàna izahay”

“Miezaka hatrany miaro ny fanjakana tan-dalàna izahay, miezaka ihany koa mijery izay mandika lalàna, indrindra miezaka miaro ny olona amin’ny tsaho sy ny honohono”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, tany Mananjary, ny faran’ny herinandro, tamin’ny fidinana ifotony ny fisian’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna volamena tany an-toerana. Misy […]

Antenimierampirenena : Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana

Hiroso amin’ny fivoriana tsy ara-potoana ny eo anivon’ny Antenimierampirenena manomboka anio. Maromaro ireo volavolan-dalàna hodinihina mandritra izany. Araka ny didim-panjakana nivoaka ny 21 aogositra lasa teo, anio talata 25 aogositra no hanomboka ny fivoriana tsy ara-po­toana eo anivon’ny Anteni­mierampirenena. Volavolan-dalàna 8 no hodinihina mandritra izany. Anisany ny volavolan-dalàna fanomezan-dàlana ny fankatoavana ny […]

FANTINA sy FINTINA

Hitrotro am-bavaka ny dingana rehetra amin’ ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena eny amin’ny village Ivoara, amin’ny 25 aogositra tolakandro ho avy izao, ny foiben’ny Fiombonan’ny fiango­nana krisitianina eto Madagasikara (FFKM). Hatolotra amin’­ izany ireo mpandrindra nasionalin’ny ny fikaonandoham-pirenena. Tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana ny lalàna 2026-005 momba ny politika fampiasana ny teny […]