Politika

FANTINA sy FINTINA

1 000 mahery ny mpikamban’ny KMF/Cnoe, mpirotsaka an-tsitrapo, manara-maso ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny KMF-Cnoe, Arcelio Tolojanahary Avisoa, teny Antanimena, omaly, ny amin’ny hoe tsy fisian’ny antoko politika sy ny fiarahamonina sivily ao amin’ny Vaomiera ifotony misahana ny fanisana mpifidy (CLRE). Andraikitry ny antoko politika […]

HVM : “Tsy mbola atokisan’ny antoko politika ny Ceni”

“Inona moa no tena nahatonga an’io? Tapaka ny fifampitokisana amin’ny rantsamangaikan’ny Ceni. Leo ny olona, nanomboka tamin’ny 2010 hatramin’izao, tsy mbola manana fahatokisana azy ireo.” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, manoloana ny fanakianana fa tsy mandray andraikitra ny antoko politika amin’ny fanabeazana sy ny fanentanana […]

Fankalazana ny 14 oktobra : Hampisehoana ny firaisankinan’ny Faritra Sofia

Ao anatin’ny dingana farany ny fanomanana ny fankalazana ny 14 oktobra 2026, izay hotanterahina ao Anahidrano, distrikan’ Antsohihy, Faritra Sofia. Nambaran’ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny raharahan-tany, ny jeneraly Lylyson René de Rolland, izay mpiahy ny Faritra Sofia, niaraka tamin’ireo solom­bavambahoaka sy mpikambana ao amin’ny governemanta,  izany,  omaly. […]

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry, omaly, ny filoha mpanorina ny antoko Udecma-KMTP, Randriamorasata Solo Norbert. Mpanolotsaina faratampon’ny tolom-piavotana (CSR) tamin’ny Repoblika II izy, ary tale nanorina ny gazety Fiaraha-miasa sady filoham-boninahitry ny Fikam­banan’ny mpanao gazety zokiolona eto Madagasikara (AJDM). Nanao fandraharahana koa izy teo amin’ny sehatry ny fitrandrahana vato, fiompiana trondro sy tantely… Foto-kevitra […]

Filohan’ny Antenimierampirenena: “Tsy valifaty ny fanadihadiana parlemantera”

“Tsy natao hanaovana valifaty politika ireo fanadihadiana atao, tsy natao hitsa­rana mialoha ihany koa. Ny marina no tadiavina.” Io ny kabarin’ny filohan’ny Ante­nimie­rampirenena, Randria­na­soloniaiko Siteny, nanomboka ny fivoriana tsy ara-potoana teny Tsimbazaza, omaly. Nasiany teny tamin’ izany ny fanadihadiana par­lemantera momba ny fitantanana ny raharaham-panja­kana nandritra ny fitondran’ny filoha teo […]