Nanatanteraka fitsidihana amin’ny fomba ofisialy ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Ramanantsoa Harilala, ny masoivohon’ny Repoblika Afrikanina Atsimo, i Khazamula Lawrence Chabane, omaly. Notanterahina tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna, Analakely izany. Tanjon’ ny fihaonan’ny roa tonta ny fijerena ny fiaraha-miasa azo tanterahina eo amin’ireo tanàna lehibe any Afrika Atsimo sy Antananarivo Renivohitra. Voaresaka […]
Politika
Lisi-pifidianana: Hifarana ny 15 febroary ny fisoratana anarana
Mampahatsiahy ny olom-pirenena ny eo anivon’ny Ceni fa atomotra ny fikatonan’ny fisoratana anaty lisi-pifidianana. Manentana ny rehetra izy ireo amin’izany. “Manentana antsika olom-pirenena, tsy mbola anaty lisitry ny mpifidy mba hanatona ny fokontany hisoratra anarana. Mbola manana fotoana isika hanatanterahina izany”, hoy ny eo anivon’ny Ceni tamin’ny alalan’ny mpanolotsaina, Ravalitera […]
Jeneraly Ramakavelo Désiré: “Didim-pitsarana politika no natao”
“Azo lazaina hoe sarotra ny fitsarana ny “Raharaha Ratsimandrava”. Tena sarotra satria niankina tamin’ny didim-pitsarana tamin’iny no mety hoe mampihavana ny Malagasy na manapotika ny firenena”, hoy ny talen’ny kabinetra miaramila tamin’izany, ny jeneraly Ramakavelo Désiré Philippe, tamin’ny febroary 2016, raha nanontaniana manokana. Izay no nahatonga ny tao amin’ny direktoara […]
Tadidy sy tantara : 50 taona ny namonoana ny kolonely Ratsimandrava
11 febroary 1975-11 febroary 2025. 50 taona katroka ny nahafatesan’ny filoham-panjakana, ny kolonely Ratsimandrava Richard, izay nisy nitifitra. Tamberina fohy… “Tsy hiamboho adidy aho, mon général. Satria mitady olona handray andraikitra izao fotoan-tsarotra diavin’ny firenena izao. Ekeko antsakany sy andavany izao fahefana feno atolotrao ahy izao. Koa fisaorana no atolotra […]
Fitantanana kaominina- Toamasina: Mavesatra ny asa miandry
Niroso avy hatrany amin’ny asa heverin’ny maro fa mavesatra ny ben’ny Tanàna vaovao ao amin’ny kaominina Toamasina, Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Anisan’ny fepetra noraisina ny tsy maintsy nandrodanana ny tranovato naorina eo ambony tetezana ao Mangarivotra. Nanao izany mba hanaovan’ny rehetra fanarahan-dalàna. Tsy hijanona eo fa hitohy amin’ny fandrodanana ireo fanorenana […]




