Politika

Filohan’ny vaomieran’ny Vondrona afrikanina: Manohana ny kandidàn’i Madagasikara ny Sadc

Hotanterahina rahampitso, ao Addis Abeba, ny fifidianana ny ho filohan’ny Vondrona afrikanina (UA). Resy lahatra amin’ny firotsahan’ny kandidà, malagasy, Randriamandrato Richard ireo firenena afrikanina. Anisan’ny efa nanao fa­nambarana fanohanana sy resy lahatra amin’ny firotsahan-kofidin-dRandria­mandrato Richard ireo firenena miisa 16 mivondrona eo anivon’ny Sadc, amin’izao fifidianana ny ho filohan’ny vaomieran’ny UA […]

Fanaovan-tsonia Santatra : Miara-miasa i Madagasikara sy ny Emirats-Arabo Mitambatra

Notanterahina omaly, tany Dubai, ny fanaovan-tsonia santatra. Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana roa tonta. Antsoina hoe Accord de partenariat économique global na Comprehensive Economic Partnership Agreement (CEPA) izany fifanarahana izany. Nisolo tena ny fanjakana malagasy, tamin’izany, ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, misolo toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny […]

Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena: Tanora maherin’ny arivo homena fiofanana

Hotanterahina any Toa­masina, manomboka ny 21 hatramin’ny 23 febroary ho avy izao, ny fanombohan’ny tetikasa “Tanora mandrafitra ny ho avy”. Araka ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Marson Mous­tapha Abdulah, omaly, tetsy Mahamasina, miisa arivo mahery eo ny tanora omena fiofanana araka asa eto Madagasikara, […]

Minisiteran’ny Mponina : Hovatsiana fitaovana sy vola ny vehivavy

Nambaran’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Razafinjato Aurelie, fa vonona ny minisitera hanohana sy hanampy ireo fikambanam-behivavy mijoro ara-dalàna. Nanteriny fa mba tsy ho an’ny Andron’ny 8 mar­sa ihany no hijerena azy ireo. “Hatao mandavantaona ny hetsika hanohanana azy ireo. Hanampy tosika ara-pitaovana sy ara-bola ny fanjakana, miainga amin’ny […]

Fitakian’ny RMDM: “Atsaharo ny tsindry sy ny ramatahora”

Notanisain’ny RMDM, oma­ly, tetsy Bel Air, fa voahitsakitsaka ny lalàna fototra sy ny zon’olombelona ary ny demokrasia eto amin’ny firenana, amin’izao fotoana izao. Maro ireo tranga niseho tato ho ato manamarina izany, araka ny nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard. Notanisainy tamin’izany ny fisamborana ireo mba maneho hevitra na koa […]