Nitondra fanazavana manoloana ireo fifidianana ben’ny Tanàna haverina ny eo anivon’ny Ceni. Nambarany fa misy ny dingana arahana amin’izany. “Araka ny voalazan’ny fitsarana misahana ny ady ifanolanana amin’ny fanjakana: misy 12 ireo kaominina hoe haverina ny fifidianana. Misy amin’ireo kaominina ireo anefa no nampiakatra ny raharaha eny anivon’ny Filankevi-panjakana”. Io […]
Politika
Fivarotana nosy amin’ny Emiratis : Nodisoin’ny fanjakana ny vaovao miely
Namoaka fanambarana mandà marindrano ireo lainga aparitaka amin’ny tambajotra sosialy, milaza ny fivarotana ireo nosy maromaro manodidina an’i Nosy Be amin’ny mpampiasa vola vahiny, Emiratis, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nohitsin’ny fanambarana fa tsy misy fangatahana voaray na fifanarahana nosoniavin’ny fanjakana malagasy ho an’ny […]
Loholona Rakotondrazafy Lalatiana : “Mariky ny fahatokisana no nanendrena ahy”
Voatendrin’ny filohan’ny Repoblika ho loholona Rakotondrazafy Lalatiana. Naneho ny heviny avy hatrany ny tenany, manoloana izany. “Mariky ny fahatokisan’ny filohan’ny Repoblika no nanendrena ahy”, hoy ny loholona, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny mpanao gazety, taorian’ny lanonana nametrahana samboady azy teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, Anosy, omaly. Nitarika ny lanonana ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny […]
FANTINA sy FINTINA
Anisan’ireo tonga nanome voninahitra ny fahatsiarovana ireo lavo teny Ambohitsorohitra tamin’ ny “Raharaha 7 febroary 2009” ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo, Ramanantsoa Harilala. Nametraka fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangambato teny Antaninarenina ho fanamarihana izany ny tenany, omaly. Tsy mbola tratra ny tanjona ho an’ny fanovana tamin’ny tolona natao, araka ny nambaran’ny filoha […]
Fanaraha-mason’ny Safidy : “5,48% ny vehivavy voafidy ben’ny Tanàna”
Na nihatsara aza, mbola ambany. 93 (5,48%) amin’ny 1 695 ny vehivavy voafidy ho ben’ny Tanàna. Avy amin’ny Irmar ny 53 amin’izany, 30 tsy miankina, ary 10 avy amin’ny antoko hafa. Io ny tatitry ny Safidy teny Ambatonakanga, omaly, ny fandraisana anjaran’ny vehivavy tamin’ny fifidianana kaominaly teo. Misy faritra manana vehivavy […]




