Efa raikitra ny fitakiana sy ny tsy fahafaliana manoloana ny voka-pifidianana. Sambany tao amin’ny kaominina Mahambo no mba naneho ny firaisankinany ireo kandidà avy amin’ny firehana samihafa tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany teo. Anisan’ny niombon-kevitra sy niara-dia amin’ny kandidà tsy miankina ny kandidà laharana faharoa, avy amin’ny antokon’ny fitondrana Irmar. […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Nanambara ny fanoherany ny zotram-pifidianana ben’ny Tanàna ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Randrinasoloniaiko Siteny Thierry. Nanao antso avo amin’ireo eo anivon’ny fanoherana koa ny tenany. “Aoka isika ho tonga saina sy hanambatra ny hery. Tsy ho mora ny fampitambarana mpitarika politika saingy tokony hijoro isika”, hoy izy. Mitarika vonjimaika amin’ny […]
Antananarivo Renivohitra: Mitarika Ramanantsoa Harilala
« Mitarika amina salanisa 42,3% ny kandidà Ramanantsoa Harilala eto Antananarivo. Nanaparitaka ny vaton’ny TIM ny firotsahan-dRazafinjoelina Tahiana », hoy ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery. Ity farany izay nitondra fanazavana mahakasika ny fifidianana ben’ny Tanàna natao teto Madagasikara, indrindra ny fironam-bokatra eto Antananarivo Nambarany, teny Ambohidahy, fa efa mitarika amin’ny isam-bato […]
Filoha Rajoelina Andry: “Isika tsy mihemotra manoloana ireo karazana tsikera”
Mbola milokaloka amin’ny vahoaka malagasy ny filohan’ny Repoblika Rajoelina Andry, omaly. ”Tsy maintsy mandroso isika, tsy mihemotra manoloana ireo tsikera”, hoy izy. “Isika kapaina vao mainka maniry, itsahina vao mainka mitsiry, haratsiana vao mainka mamokatra. Ireny fanaratsiana rehetra ireny dia toy ny zezika afafy, tsy mampihontsina antsika fa tsy maintsy […]
Safidy: “Ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy”
“Mbola ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tany amin’ireo biraom-pifidianana narahin’ny Safidy maso. Eny, na niakatra aza izany ampitahaina amin’ny fifidianana kaominaly 2019”. Io ny fanambaran’ ny Sampana anaraha-maso ny fifidianana, ivon’ny demokrasia ifarimbonana (Safidy), notarihin’ny mpitondra teniny, Razanamahefa Désirée Marie Stella, teny Ambatonakanga, afakomaly, momba ny fizotran’ny fifidianana kaominaly […]




