Politika

“Raharaha Vavatenina” sy sambo rendrika Manaitra ny minisitry ny Fitsarana i “Del kely”

Tsy nitsitsy fitenenana ny depiote Razara Pierre Fidel tao amin’ny fandaharana “Mi­ara-manonja” – MM”, omaly ma­noloana ireo faty olona marobe, vokatry ny faharendrehan’ny sambo, tany Anka­zombo­rona. Notsiahiviny sy nambaran’ny minisitry ny Fi­tsarana fa ho voasazy ireo tompon’antoka amin’iny raharaha iny. Nahitsy anefa i Del kely nilaza fa tsy mbola naheno […]

Filohan’ny CSI, Rabenarivo Sahondra: “Resabe fotsiny ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly”

Anisan’ireo nandray anjara amin’ilay adihevitra momba ny fitarazohana na fahasarotana ary ny kolikoly eny amin’ny fitsarana, ny filohan’ny CSI, Rabena­rivo Sahondra, omaly. Nohi­tsi­ny fa mijanona ho teny faneva fotsiny ihany ny tsy fandeferana amin’ny kolikoly “To­le­ren­ce zéro”, dradrain’ny mpitondra. “Tokony hampiharina ny lalàna ary omen’ireo mpitantana samihafa ny alalana ahafahana […]

Fiaraha-miasa amin’i Egypta : efa miroso ny fanamboarana ny lalambe migodana Tana-Toamasina

Nanolotra ny taratasy manendry azy hiasa eto Madagasikara ta­min’ny filohan’ny Repobli­ka, Rajoe­lina Andry, teny amin’ny la­pam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoro vaovaon’ny Repoblika Arabon’i Egypta, Rabab Said Abdou Abdelhadi. Efa an-taonany maro no nisian’ny fiaraha-miasa teo amin’i Egypta sy i Madaga­sikara. Eo amin’ny sehatra maro izany toy ny fambolena, ny fahasalamana, […]

Andriamiseza Alain: “Tsy haka seza ny Hiffim”

“Tsy hanao fikaonandoha hakana seza ny Hiffim”, hoy ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Mada­gasikara (Hiffim), Andriamise­za Alain, manoloana ny disadisa eo anivon’ny vovonana tarihiny. Tsy hanao fikaonandoha mba hofidian-dRanona na Ra­nona ry zareo. Tsy misy olona manampahaizana sy manan-tsaina ary manam-panahy ve eto […]