Politika

HCC : ny famosirana ihany no tokony ho sazy mihatra

Ny famosirana fandidiana ihany no tokony ho sazy mihatra amin’ireo mpanolana zaza, araka ny fanapahan’ny Fi­tsa­rana avo momba ny Lalàm­panorenana, omaly. Nomeny ny alalana ny famoahana ny fepetra sasantsasany amin’ny volavolan-dalàna manitsy ny fehezan-dalàna famaizana sy ny fampidirana ny famosirana amin’ny alalan’ny fandidiana, izay anisan’ny fanasaziana mampahory sy mahamenatra amin’ny […]

Ravalomanana Marc: “Mijoro hanolotra kandidà iraisana ny Firaisankina “

Nanambara ny avy amin’ny antoko Tiako Madagasikara fa vonona ny handray anjara amin’ny fifidianana manaraka eo ry zareo. Hanambatra ny heriny izy ireo, araka ny nambarany. “Handray anjara feno amin’ny fifidianana solombavambahoaka sy ny fifidianana eny anivon’ny kaominina manerana an’i Madagasikara. Hiray hina izahay ka hanambatra ny herinay rehetra hiatrehana […]

Fikambanana ASD: “Tsy ilaina eto ny politika midongy”

“Tsy ilaina eto amin’ny firenena ny politika midongy, tsy mampandroso fa vao mainka miteraka fihemorana”, hoy ny avy amin’ny fiarahamonina sivily, ny sekretera jeneralin’ny fikambanana Action sociale pour développer (ASD), Andriamanana Nivoarivony, manoloana fiakaran’ny taham-pahavitrihan’ny olom-pirenena misoratra anarana amin’izao fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy izao. Izay ny olona vao tonga saina […]

Firaisamonina sivily : “Mila fifampidinihana ny teti-pampandrosoana”

Nanao fanambarana iraisana ireo fikambanana 50 mahery eo anivon’ny firaisamonina sivily, omaly. ”Mila fifampidinihana ny teti-pampandrosoana”, hoy izy ireo. “Mila fifampidinihana matotra eo amin’ny fitondrana sy ny va­hoaka isan’ambaratonga ny famaritana ny teti-pampandrosoana sy ny fitantanana izany”, hoy ny lohatenin’ny fanambaran’ny fikambanana 50 mahery eo anivon’ny firaisamonina sivily, omaly. Kendre­na ny ahatanterahan’ny fanjakana tsara tantana, […]

Fampiofanana olom-boafidy: nahazo fiofanana ny tomponandraikitra

Manatanteraka fiofanana mahakasika ny fitantanana raharaham-panjakana, ny Ta­le sy ny Lehiben’ny sampandraharaha eo anivon’ny Ins­titut Nationale de la Décen­tralisation et du Dévelop­pe­ment Local (INDDL). Fiofa­nana izay notanterahina na­no­mboka omaly ary ifarana anio. Tanjona amin’izao hetsika izao ny hahafantaran’izy ireo bebekokoa ny momba ny fanjakana tsara tantana sy ny hahafehezan’izy ireo […]