Tsy namela ho irery ny mpiray tanindrazana ny ambasadaoro any Maorisy, ny Jly Camille Vital. Naneho ny fiaraha-miory sy fiaraha-mientana ary fifanohanana amin’ny mpiray tanindrazana ny tenany ka nanolotra fanampiana ho an’ireo traboina, noho ny rivodoza farany teo. Nitondra ny anjara birikiny tamin’izany, amin’ny alalan’ny antoko Hiaraka isika ka nandefa […]
Politika
Fiaraha-miasan’ny FES sy ny UE : hatsangana ny sehatra hanofanana ireo mpanao politika
Natao tetsy Ankadifotsy, omaly, ny fampahafantarana ny tetikasa ho amin’ny fanentanana ny olom-pirenena mba handray andraikitra amin’ny dingana eo amin’ny fifidianana. Miara-miasa amin’izany ny eo anivon’ny FES sy ny avy amin’ny delegasion’ny Vondrona Eoropeanina (UE). Anisan’ny kendren’ny FES ny hananganana sehatra ifanakalozan-kevitra ho an’ireo mpisehatra politika. Ao anatin’izany ny fanofanana amin’ny […]
Loholona Eddie Fernand: nidina ifotony tany Sava…
Nitohy ny herinandro teo ny fitsidihan’ny loholona, i Eddie Fernand ny tany Sava. Niatrika hetsika samihafa tany an-toerana ny tenany. Nivoitra tamin’izany ny famoahana ireo polisy monisipaly, tao Antalaha. Nankasitraka ny fanatrehany izany ireo nandray fitenenana. Zava-dehibe rahateo ny fampanjakana ny fandriampahalemana. “Porofo izao fa miahy mandrakariva ny kaominina ny […]
Minisitry ny Atitany : “Hajanona ny hetsika 8 marsa”
“Efa nankalaza ny Andro ho an’ny zon’ny vehivavy isika tamin’ny 8 marsa, niraisan’ny firenen-drehetra. Noho ny fisian’izao voina lehibe misy eto amin’ny firenena izao, maro ireo namoy ny ainy sy ny traboina: ajanona aloha ny fankalazana, ankoatra izay efa natao tamin’ny andron’ny 8 marsa.” Io no fanazavan’ny minisitry ny Atitany […]
Praiminisitra Ntsay Christian : “Tsy maintsy hisy ny fifidianana “
“Tsy maintsy hisy ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’ity taona ity. Fanapahan-kevitry ny governemanta iray manontolo ny momba ny datim-pifidianana amin’ny fotoana mahamety azy”, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian, teny amin’ny Cercle Mess Soanierana, ny faran’ny herinandro, taorian’ny fivorian’ ireo manamboninahitra tomponandraikitra eo anivon’ny Tafika, nanomezana toromarika amin’ny fiatrehana izay mety […]