Politika

Taona vaovao: niantso fifankatiavana ny PSD

Namoaka fanambarana amin’izao fiandohan’ny taona izao ny eo anivon’ny antoko PSD, amin’ny alalan’ny sekretera jeneraliny, Bezaza Eliana. Nirary izy ireo ary tsy mitsahatra ny mangataka amin’i Zagnahary Tompontsika ny ahafantaran’ny mpiray tanindrazana tsirairay ny fiadanana, ny fahasalamana, ny fandriampahalemana, ny fameloman-tena sy ny firoboroboan’ny fihariana. “Enga anie hitoetra eto amintsika […]

Depiote Razafintsiandraofa Jean-Brunelle : “Azo porofoina ny fivarotana zanaka any Ikongo”

“Misy ary zavatra nisy io. Ny vadiko manatanteraka asa sosialy any amin’ny distri­kan’Ikongo efa nitondrana ray aman-drenina zaza in­droa miantoana, tamin’ny novambra sy desambra 2022. Nivarotana olona zaza ny vadiko”, hoy ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, fa­ritany Fianarantsoa, ny depiote voafidy tany Ikongo Raza­fintsiandraofa Jean-Brunelle, teny Ivato, omaly. Nomarihina fa […]

Na lavitra sy saro-dalana aza… : mandeha ny fanisana mpifidy any amin’ny distrikan’i Marolambo

Tapa-bolana sisa dia hifarana ny fanisana mpifidy ao anatin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Mby aiza? Indrindra ny any any amin’ny toerana lavitra, saro-dalana… Mandeha ny fanisana mpifidy, raha ny any amin’ny distrikan’i Marolambo, ohatra. Raha 5% ny tahan’ny fisoratana anaran’ny olom-pirenena amin’ny lisi-pifidinana ao amin’ny distrakan’i Marolambo, faritra Atsinanana, ny […]

Depiote Ramaherijaona Hajanirina : “Tsy misy kaominina 15 mikatona izany any Bongolava

“Sahiko ny miteny fikononkonana ben’ny Tanàna vitsivitsy, enina na fito no any, fa tsy misy kaominina 15 mikatona. Lainga izany. Va­hoaka vitsivitsy karamaina, omena 10 000 Ar no entina miakatra aty Tsiroanoman­didy.” Io ny nambaran’ny depiote voafidy tao Tsiroano­mandidy tamin’ny anaran’ny IRD, Ramaherijaona Hajani­rina, manoloana ny fiampangan’ny governora miaraka amin’ny […]