Iza izy ? Durlin Retogniane ny anarany. 39 taona ary manam-bady sy niteraka roa. Anisan’ny fialamboly tiany ny mamaky boky sy mijery horonantsary fanadihadiana “Documentaire”, amin’ny fahitalavitra. Mankafy fanatanjahantena ary efa nanao ny taranja basikety sy ny ping pong koa izy. Anisan’ny gadona ankafiziny ny hiragasy, tsapiky sy ny salegy. […]
Politika
Ramamonjisoa Régis: “Tanterahina rehefa tenenina”
“Tokony hojerena amin’izay ny hoe: tanterahina raha nampanantena zavatra ny vahoaka ny tena. Izay ny politika vaovao: tanterahina rehefa zavatra tenenina sy nampanantenaina”, hoy ny filoha lefitry ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara (RMDM), sampana Mahajanga, Ramamonjisoa Régis, manoloana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. “Indraindray isika variana amin’ny hoe fampantenana”, […]
Andriamiarisoa Daniel: “Ny olan’ny vahoaka no mila fikaonandoha”
“Sao fotoana izao hanaovana fikaonandoha hijerena ny sosialim-bahoaka sy ny maharary ny vahoaka? Manampahaizana avokoa ny ankamaroan’ireo mpanao politika. Tokony hisokatra ny rehetra fa tsy hiolonolona amin’izao fotsiny”, hoy ny filohan’ny antoko Madagasikara ho an’ny Malagasy(MHM), Andriamiarisoa Daniel, manoloana ny fahasahiranam-bahoaka amin’izao. Raha tena tia tanindrazana marina ny mpanao politika, […]
Ramamimampionona Gérard : “Afa-miara-monina ny maha malagasy sy ny maha kristianina”
Nahabe resaka sy adihevitra ny nisian’ny kristianina nanao fandroahana devoly sy nanao hira fiderana teny amin’ny doany amin’ny Rovan’Ambohimanga. Maneho ny fijeriny ny mpandinika fiarahamonina, Ramamimampionona Gérard: “Afa-miara-monina ve ny maha malagasy sy ny maha kristianina? Raisiko amin’ny tenako: Malagasy aho sady kristianina.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny […]
Jly Rakotonirina Richard : «Mijoro ho tandroka aron’ny vozona hatrany ny Tafika Malagasy»
“Anjara andraikitra goavana andrasan’ny firenena amin’ny Foloalindahy amin’ ny fitandroana ny filaminana sy fanajana ny lalàm-panorenana amin’ny maha taona miavaka ity taona 2023 ity , noho izy taom-pifidianana”: hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), omaly, teny Ampahibe, nandritra ny fiarahabana tratry ny taona vaovao 2023. Nohamafisiny fa manana andraikitra lehibe […]