Manome lanja ny fifehezana tenim-pirenena vahiny, ahafahan’ireo miaramila mivelatra amin’ny sehatra maro eo amin’ny famitana iraka marolafy, ny eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Hanomboka rahampitso ny dingana voalohany, handalina izany ny avy eo anivon’ny Vondrona mpiaro ny Filoha, eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika, sy ireo miaramila mpitsabo ary mpiasa sivily ao […]
Politika
26 jona 2024 : hiavaka ny fanamarihana ny fetim-pirenena
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly, teny amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), Ampahibe ny fanomanana ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny nijoroan’ny Foloalindahy… Ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, no nitarika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana hanomanana ny fetim-pirenena, 26 jona […]
FANTINA sy FINTINA
Nahazo taratasy fanesorana azy ireo sefo fokontany miisa 14 eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Voalaza ho manana ny firehana politikany manokana ka mampanahy amin’ny fiandaniana izy ireo, araka ny taratasin’ny sefo distrika. Nanao fitaraina eny anivon’ny fitsarana izy ireo, manoloana izany. Notoloran’ny kandidà avy amin’ny Kolekitifa Avaradrano akanjo vaovao hoenti-miasa avokoa […]
vovonana firaisankina : miantso ny Ceni sy ny HCC tsy hitanila
“Miantso ny Ceni sy ny HCC tsy hitanila ary hampihatra ireo fahefana omen’ny lalàna azy ka handray andraikitra manoloana ny tsy fanarahan-dalàna maro mitranga”. Io ny fanambaran’ny vovonana Firaisankina novakin’ny filoha mpiara-mitantana, Ravalomana Marc, teny Faravohitra, ny faran’ny herinandro teo, amin’ny fiatrehana ny fampielezan-kevitra hanomboka rahampitso. Araka izany, miantso ny sehatra […]
Fifidianana depiote : hanova paikady ireo kandidà amin’ny propagandy
Mety tsy hitovy amin’ny teo aloha. Samy manana ny fomba hitondrany ny fampielezan-keviny ireo kandidà solombavambahoaka. Efa samy maka bahana amin’ny hiatrehana izany ireo etamazaoro politika isan-tokony. “Mavesatra loatra ilay anto-bola nirotsahana hofidina ka tsy mitovy amin’ny fanao mahazatra ny hiatrehana izany”, hoy ny kandidà iray. Nanamafy izany ny kandidà […]




