Mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ny olona eto an-dRenivohitra. Andro tsy fiasana ny omaly saingy betsaka ireo mitady vola sy nisafidy ny hivarotra ihany. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivarotra eny Analakely, omaly. Tsy dia nahitana fiovana loatra ny fiainana teny Analakely, omaly, na dia natokana ho andro tsy […]
Songadina
Fanenana loza : Haverina matetika ny fanentanana momba ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana
Tsy mitsaha-mitombo ny trangana lozam-pifamoivoizana eto amin’ny Nosy, raha ny zava-misy. Hamoizana aina ny ankamaroan’izy ireny. Anisan’ ny tena mateti-pitranga ny loza eo amin’ny mpitondra kodiaran-droa. Antony mahatonga izay, amin’ny ankapobeny, ny tsy fahafehezan’ny mpampiasa lalana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Natao ho an’ny rehetra ny fahaizana ny lalàna mifehy […]
Fivarotan-kena eny Analakely : Tsy nihetsika ny vidin’ny taolana
Anisan’ireo entana hita eny Analakely ihany koa ny taolan-kena. Nisy ny fanadihadiana mahakasika izany, omaly. Maro ireo fivarotan-kena eny Analakely. Misy amin’izy ireny nefa no mivarotra taolan-kena. Anisan’izany ny tsenan’Andrianirina Harilanto Dieu Donné, mpivarotra taolan-kena eo Analakely. Nisy ny fanadihadiana natao taminy teny an-toerana, omaly, mahakasika ny taolan’omby. Nambarany fa […]
Fanaovana voly mifandimby: Tokony hifanaraka amin’ny fiovan’ny toetr’andro sy ny toe-tany
Anisan’ny manimba ny tontolo iainana sy ny toe-tany ny fomba fambolena tsy misy fiovana mihitsy. Manampy betsaka ny tantsaha sy ny tanora malagasy hiditra sy hampivoatra ny teknikam-pambolena ny fikambanana GSDM. “Efa zatra ny fambolena nentim-paharazana ny tantsaha ka sarotra be mihitsy ny manova ny toe-tsain’izy ireo satria efa fomba […]
Renim-pianakaviana atleta : Maniry ny hahita asa tsara i Soloniaina Malala
Maro amin’ireo vehivavy malagasy atleta no efa renim-pianakaviana, amin’izao. Misy amin’izy ireo nefa mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ary miezaka mafy mitady izay mahasoa ho an’ny fanatanjahantena sy ny ankohonany. Vehivavy malagasy mpilalao manana ny lazany amin’ny taranja tolona i Soloniaina Malala. Efa renim-pianakaviana ny tenany, nisy ny fanadihadiana natao […]