Misy fiantraikany goavana eo amin’ny fidiram-bolan’ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be) ny fahatapahan-dalana maro eto an-dRenivohitra. Mihena ny isan’ny fihodinana vitan’izy ireo ao anatin’iray andro. Fitaovam-pitaterana misedra olana ny fiara fitateram-bahoaka (taxi-be), nanomboka tamin’ny fisian’ny fihetsiketsehana ataon’ny tanora mpitolona eo anivon’ny Gen Z, raha ny fanadihadiana natao. Olana sedrain’izy ireo ny fahatapahan-dalana […]
Songadina
Fihetsiketsehana sy fitakiana lavareny : Mahazo vahana ny gaboraraka
Efa ahitana tanora maro manao fihetsiketsehana sy fitokonana manerana ny Nosy. Anisan’izany ny any Toamasina. Amin’ny ankapobeny, mahatonga karazana gaboraraka isan-karazany izany, raha ny zava-misy. Mbola milamina sy tsy ahitana fitokonana ny any amin’ny disitrikan’i Fenoarivo Atsinanana hatrany Vavatenina. Amin’ny ankapobeny, lasa matahotra hankany Toamasina ny mponina any an-toerana noho ny […]
Ramiadamanana John Spartane : “Fomba tsara indrindra ianarana teny vahiny ny mihaino sy mamerina”
Anisan’ny mpampianatra teny vahiny, manana ny lazany any ivelany, Ramiadamanana John Spartane. Nisy ny fanadihadiana natao taminy, ny faran’ny herinandro teo. “Tsotra sy tia mizara”! Izay no teny hamehezana an-dRamiadamanana John Spartane, fantatra amin’ny anarana hoe John Spartane, ao amin’ny tambajotran-tserasera. Tia mizara sy mampianatra ny teny vahiny ny tenany. […]
Seranan-tsambo: Efa antitra ny fotodrafitrasa maro
Madagasikara, Nosy lehibe aty amin’ny ranomasimbe Indianina, anisan’ny manana seranan-tsambo maromaro manodidina azy, antoky ny toekarena. Seranan-tsambo lehibe indrindra ny ao Toamasina, hifanakalozana ara-barotra hatrany amin’ny 80%, falehan’ireo sambo vahiny eto an-toerana. Faharoa lehibe ny any Taolagnaro, Ehoala, vao tamin’ny 2009. Ny any Antsiranana, Mahajanga, Toliara, sokajiana ho seranan-tsambo fanampiny. […]
Tsena andavanandro : Mitaraina amin’ny fitadiavam-bola ireo mpivarotra
Samy sahirana avokoa izao ny olona. Mananosarotra ireo mpivarotra eny an-tsena izao ny zava-misy ankehitriny izao. Marihina fa tsy niseho tarehy izy ireo mba ho fisorahana ny loza mety hitranga amin’ ny fanararaotana ny raharaham-pirenena tahaka izao. Mandalo fahasahiranana tanteraka ny resaka varotra eny an-tsena amin’izao fotoana izao. Araka ny […]




