Songadina

Very ny 50 tapitrisa Ar : mpiambina nafatotra, vehivavy voaroba

Lasibatry ny fanafihan-jiolahy, ny vehivavy mpandraharaha iray, omaly. Nafatotra ny mpiambina, noratraina ny tompon-trano. Voaroba ny 50 tapitrisa Ariary. Vehivavy iray mpandraharaha etsy amin’ny fokontany Behitsy, kaominina Ambohimangakely no lasibatry ny fanafihan-jiolahy, omaly. Lasan’ireo olon-dratsy ny entana maro isan-karazany sy ny vola mitentina 50 tapitrisa Ar, tao an-toerana. “Tokony ho […]

Mpampianatra manana LAPEN: hatramin’ny 10 febroary ny fandraisana antontan-taratasy

An’arivony ireo mpianatra avy amin’ny Ecole Normale Superieure (ENS) efa noraisin’ny minisiteran’ny Fanabea­zam-pirenena ho mpiasam-panjakana, nanomboka ny taona 2019-2021. Ho an’ny fandraisan’izay manana MAPEN sy CAPEN taona 2022, noraisina ireo rehetra izay nametraka antontan-taratasy ara-potoana. Teny anivon’ny foibem- pitondrana misahana ny maha- olona anivon’ny minisitera, no nametrahana izany araka ny […]

Toetry ny andro: hiverina ny oram-baratra

Hiverina ny volon’andro fahavatra ho an’ny telo andro manaraka. Hahazo vahana ny orana, araka ny fanazavan’ny sampana famantarana ny toetry ny andro, omaly. Anio, hisy ny oram-baratra ho an’ny faritra Diana, Sava, Sofia, Analanjirofo, Alaotra Man­goro, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany. Hisy rotsak’orana mitsitokotoko koa any amin’ny ilany atsinanan’ Ana­la­manga, Vakinankaratra sy […]

Seces : nanapa-kevitra ny handray ny fampianarana

Afaka misento ny mpianatra eny amin’ny oniversitem-panjakana. Hiroso amin’ny fampianarana ny mpampianatra taorian’ny filan-kevim-pirenena nataon’ny Seces. Nanao filan-kevi-pirenena tany Toamasina ny mpikambana nasionaly ao amin’ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) manerana ny Nosy ny herinandro lasa teo. Tapaka fa hiverina amin’ny asa fampianarana sy ny fikarohana ara-tsiansa manomboka ny volana febroary […]