Nanao tifi-danitra ny zandary, nandravana ireo andian-jatovo nifanafika tanana, omaly vao maraina. Tsy fantatra mazava ny nahatonga ny ady izay naharatrana olona telo. Naiditra hopitaly ny lehilahy roa izay tena voa mafy. Niafara tamin’ny fidiran’ny mpitandro filaminana an-tsehatra ny fifanafihana niteraka faharatrana nataona andian-jatovo tsy nifaranara-tsaina tao Mahabako, tanàna iray […]
Songadina
Jery taratra… Mijery lavitra hatrany…
Mijoro ny Vondrona maroloko mpanome tanana ny filoha (VMMTF), nilaza fa mahahenika ny faritra 23. “Olon’ny fahendrena sy fifankatiavana isika Malagasy, ka izany indrindra no tokony hamerenana ireo soatoavina ireo”, hoy ny filohany, Rasolofonoroniaina Julia (Mishah). Hanelanelana ary hanampy amin’ny fikaroham-bahaolana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra ny vondrona, hampirindra […]
Asan-jiolahy: Karohina i Tintin, kambana amin’i MadMax
Ifampitadiavan’ny polisy i Tintin, kambana amin’i MadMax. Tsy ilay mpihira malaza akory fa ilay jiolahy maty voatifitra ny alin’ny 24 desambra 2022 teo. Jiolahy mpamerin-keloka izy mirahalahy kambana. Samy raindahiny amin’ny fanafihana mitam-piadiana, na tsy mbola ampy taona aza. Voatifitra ny alin’ny 24 desambra i MadMax. Taorian’izay, nampandosirina na nanjavona […]
Taona 2023: Iandrandrana fiainana vaovao
Taom-baovao, fanantenana vaovao ! Tsy hoe miandry fahagagana fa miandrandra fiainana tsaratsara kokoa. Mifampirary soa ny mpianakavy sy ny mpiray tanàna, ary ny mpiray tanindrazana. Ho dobom-pitahiana ny taona 2023. Hanao ahoana ny taona vaovao 2023? Misy hatrany ny tombatombana, saingy tsy misy mahafantatra izay havoakan’ny ampitso: tsy azo ireharehana, […]
Behoririka : lehilahy iray maty, voaroba ny 130 tapitrisa Ar
Nirefodrefotra ny basy tetsy Behoririka, omaly. Nanafika atoandro be nanahary tokony ho tamin’ny 11 ora teo ny jiolahy roalahy. Vokany, lehilahy iray 32 taona maty voatifitra. Lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany ny vola mitentina 130 tapitrisa Ar. Mpiasa amina “cash point” iray eny an-toerana ity lasibatra. Avy naka vola teny amin’ny banky […]




