Songadina

Covid-19: folo ny tranga vaovao

Folo ny tranga vaovao voamarina tamin’ny fitiliana 331 vita tao anatin’ny herinandron’ny 21-27 janoary lasa teo. Vaovao nampitain’ny avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly. Dimy ny tranga misy fahasarotana, 38 ny olona mbola marary. Tsy nisy ny aina nafoy vokatry ny valanaretina ho an’ny herinandro farany. Efatra amin’ny tranga vaovao […]

Filoha Rajoelina Andry : ” Ny sosialim-bahoaka aloha”

Ho laharam-pahamehan’ny fitondram-panjakana ny fijerena ny sosialim-bahoaka amin’ity taona ity. Tsy maintsy vitaina kosa anefa ny foto-drafitra efa natomboka. Ireo tetikasa vaovao no haato. Mahatsapa ny filan’ny vahoaka malagasy sy ny asa tokony ho vaindohan-draharaha mifanaraka amin’izany ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Nitarika ny fanokafany tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo […]

Jery taratra…

Mifamahofaho ny voina sy ny vina Namela takaitra amin’ny faritra maro ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso, indrindra ny ora-mijojo nentiny: ampolony ny olona namoy ny ainy sy tsy hita popoka, analiny ny traboina… Faritra maro koa no safotry ny rano, toy ny tanànan’i Morondava, Maroantsetra, Mahajanga… Eo koa ny voly safotry […]

Haka fanapahan-kevitra ny filoha Rajoelina: hiova afaka andro vitsy ny governemanta

Antomotra tahaka ny oron-tsaka ? Efa eto an-toerana ary hihazo ny fambolen-kazo any Ilaka Est, ny filoha Rajoelina Andry, anio, rehefa avy niatrika fivoriana an-tampony tany Dakar. Handray fanapahan-kevitra tsy ho ela, amin’ny ho avin’ny governemanta ny tenany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray fa hiroso amin’ny fanovana ny governemanta ny filoha amin’ny […]