Songadina

Nanana olana ara-bola: raim-pianakaviana maty nananton-tena

Nentin’ny fahadisoam-panantenana tafahoatra, niafara tamin’ny famoizam-po ny raim-pianakaviana iray nitady fanampiana tamin’ny havany saingy tsy nisy niraharaha tao Sambava, omaly. Maty nananton-tena tao amin’ny fokontany Ampandrozo­na­na, distrikan’i Sambava ny raim-pianakaviana iray, oma­ly maraina. Nanana olana ara-bola izy ary niezaka nitady vahaolana tamin’izany. Very hevitra anefa ny lehilahy rehefa tsy nahita […]

CUA- Delegen’ny  mpivarotra Fotoanan’ny asa eny ifotony ity taona ity

Niarahaba nahatratra ny taona vaovao sy nirary soa ho an’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo ireo delegen’ny fikambanan’ny mpivarotra  ara-dalàna  rehetra, omaly.  Notanterahina teny amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely ny lanonana. Nandritra izany,   nohamafisin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Andriantsitohaina Naina fa  efa maro ny  fanaovan-tsoniam- piarahamiasa vitan’ny kaominina sy ny mpivarotra.  “Fotoana izao  hidirana amin’ny fanatanterahana […]

Fampivondronan-kery politika… Teraka ny vovonana “Lera”

Ambohipihaonan’ireo mpanao politika namondrona hery eo anivon’ny vovonana “Lera” ny teny Andoharanofotsy, omaly. Notsinkafonin’izy ireo ambony ambany ny fitantanan’ny mpitondra ny firenena.  Nahitsy ny lahatenin’ny depiote Johasy Eléonore. “Lera izao, hanafahana ny jadona mihatra amin’ny vahoaka ary itsipahana ny mpitondra mambotry firenena… Lera izao hananganana ny hambo-po hamerenana ny fahefana […]

“Héroïne”: Lasan’ny polisy ny fanadihadiana an’ilay divizionera

  Araka ny fiaraha-miasa eo anivon’ny zandarimariam-pirenena sy ny polisim-pirenena, noraisin’ny eo anivon’ny polisy an-tanana ny fanohizana ny fanadihadiana mahakasika ny fisamborana ilay jeneraly polisy voasambotra tetsy By-pass, ny alatsinainy teo. Tsiahivina, voasambotry ny zandarimaria, tra-tehaka niaraka tamin’ny fitaovam-pidorohana zava-mahadomelona mahery vaika izy.  Niroso tamin’ny fitananana azy  vonjimaika, taorian’izay. Natolotr’izy […]

Hetsika lamba mainty… Hanohitra ny fisian’ny fanelanelanana amina heloka bevava ny OMC

Hanohitra ary nilaza fa tsy hanaiky ny fisian’ny fanelanelanana eo anoloan’ny fandikan-dalàna amin’ny raharaha ady heloka bevava ny mpitandro filaminana sy ny prefen’i Toamasina, Ambinintsoa Jean José. Nanotrona azy ireo ny lehibe misahana ny fitandroana ny filaminana telo. Nandritra ny fihaonan’ny mpitarika ny hetsika “Lamba mainty” notarihin’i Sabotsy José sy […]