Norarahana poizina ny sakafon’ny mpamily, ary novonoina tamin’ny fomba mahatsiravina izy avy eo. Notetehina sy nosarahana tamin’ny vatany ny tanany, vaky ny lohany ary mbola norarahana asidra ny vatany sy ny filahiany. Niakatra fitsarana, ny alatsinainy teo, Rakotozafy Justin Pritchard, miaramila kaporaly miasa ao amin’ny toby Analakinina Hopitalibe, Toamasina. Voarohirohy […]
Songadina
Ambohimirary: Cash point voatafika, lehilahy maty voatifitra
Nirefodrefotra ny basy tetsy Ambohimirary, afakomaly hariva. Voatifitra teo amin’ny kibony ny raim-pianakaviana mpanao Cash point. Voaroba ny vola tanaty sakaosy kely. Nihorohoro tanteraka! Tsy nisy sahy nivoaka, nihaino sy nitazana ny fipoapoakin’ny basin’ ireo jiolahy roalahy nandroba ny raim-pianakaviana iray, tetsy Ambohimirary, ireo olona manodidina, ny harivan’ny alatsinainy teo […]
Fomba fiasa sy fihetsika… : Hentitra amin’ireo mpitsara ny tonia ambony vaovao
Nanafatrafatra . Napetraka amin’ny toerany, omaly, tetsy Anosy ny tonia mpampanoa ambony vaovao eo anivon’ny fitsarana tampony, Rakotomandimby Benjamin Alexis. Mazava ny nambarany. “Aoka mba ho fantatry ny vahoaka malagasy ary ny any amin’ny faritra ny asa ato amin’ny fitsarana. Mba tsy ny hafa no hitsara ny asanareo, ka isika […]
Behoririka : teratany karana iray maty voatifitra
Voatafika ny teratany karana mivady, omaly, tetsy Behoririka. Maty voatifitra rangahy, maratra mafy ramatoa. Nirefodrefotra ny basy, omaly, tetsy Behoririka. Lasibatry ny fanafihan-jiolahy ny mpivady teratany karana monina eny an-toerana. Voatifitra teo amin’ny tratrany ilay lehilahy raha naratra kosa ramatoa vadiny. Omaly atoandro tokony tamin’ny 01 ora teo, tonga tao […]
Fehinkevitry ny Hiffim: “Tsy maintsy tanterahina ny fampihavanana”
“Tsy maintsy tanterahina ny fampihavanam-pirenena, ka antsoina manokana handray andraikitra amin’izany ireo raiamandreny ara-panahy sy raiamandreny ara-drazana ary indrindra ny mpitantana ny firenena amin’izao fotoana izao.” Io ny anisan’ny fehinkevitry ny fikaonandohan’ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), teny Andrefan’ Ambohijanahary, ny herinandro teo, nentin’ny […]




