Naiditra am-ponja vonjimaika avokoa ireo efatra mirahalahy voasaringotra tamin’ny fanafihana nahafatesan’olona tao Tanamakoa, ny zoma 20 janoary lasa teo. Nanafika mpandraharaha iray ireto jiolahy ny 13 janoary teo. Namoy ny ainy vokatry ny tifitra nataon’izy ireo ny olona iray raha toa mbola miady amin’ny fahafatesana any amin’ny hopitaly kosa ilay […]
Songadina
Analakely : mpanendaka voafandriky ny «caméra de surveillance»
Nihevitra ho afa-maina ireo jiolahy roa lahy nanendaka olona teo akaikin’ny banky iray eny Analakely, ny asabotsy teo. Lasa nandositra nihazo ny pavillon izy roa lahy rehefa avy nanao ny asa ratsiny. Efa nilamin-tsaina taorian’izay raha nandalo tamin’iny faritra Ambodifilao iny, kanjo nosamborin’ny polisy tampoka. Ireo caméra de surveillance mipetraka […]
Grenady nipoaka tao an-trano: tovovavy iray maty, naratra ny anadahiny
Maty ny tovovavy vao 17 taona. Naratra ny anadahiny iray. Nipoahan’ny grenady, izay nisy nanafina tao ambany fandrian’izy ireo. Tsy nisy nahafantatra ny fisian’ny grenady tao an-tranony, namoy ny ainy vokatry ny fipoahan’io fitaovana mahery vaika io ny zanaky ny tompon-trano tao Andongoza, fokontany Savahaonina kaominina ambanivohitra Andrainjato Est, distrikan’i […]
Jery taratra…: Rivodoza hafa koa…
Ranolava ny fanehoan-kevitra ny amin’ny toriteny tamin’ny fanompoam-pivavahana nitondrana amim-bavaka ny filohan’ny FJKM sy ny ankohonany ary ny taom-piasana 2023, teny amin’ny Coliseum, Antsonjombe, ny 15 janoary. Voateny tamin’izany ny momba ny hala-bato amin’ny fifidianana, ohatra, ny Tafika, ny fitananam-bola… Raisina toy ny fahavalo avy any ivelany ireo manana fisainana […]
Jiolahy ikoizana : rotiky ny balan’ny zandary i Lemana na Ravazaha
Maty voatifitry ny zandary ny jiolahy raindahiny tamin’ny fanafihana mitam-piadiana fantatra amin’ny anarana hoe i Lemana na Ravazaha tao Andranomadio Toamasina parsela 11/42 sy 11/43, omaly. Jiolahy ikoizana tamin’ny fanafihana mitam-piadiana sy vonoan’olona Ravazaha, namana akaiky an-dRasihanaka. Nirefodrefotra vao maraina ny basy tao Andranomadio nandritra ny hetsika nataon’ny zandary tamin’ny […]